Edito

Maziamazian’ny boaderozy !


  • Sabotsy 18 Febroary 2017

Salama tsara ve ry Jean a ! Ahoana indray ity maziamazia momba ilay sera be tratra tany Masoala tadiavina hafenina ity e !

Fa inona no tsy nifankahazoana ka nivoaka ny afera kanefa ny hatramin’izay toa nandeha an-tsakany sy an-davany ihany a ? Dia tena raikitra mihitsy ny gidra eo aminareo mianakavy a ! Raha ny fahatadidiavako azy ry Jean dia io resaka io ihany no nanabotrianareo an’ilay be galona iny, fa nanelingelina ny bizina sy ny kopaka hisasahanareo, ka dia izany ihany koa no hahazo an’i Solo be ato ho ato ? Dia tena manaiky anareo izahay ry Jean fa mahery ianareo a ! Ny tena mahagaga anay anefa dia vehivavy no tena tompon’ny familiana ary tsy azo atao n’inona fa toy ny mpanjakakelinareo mihitsy aho. Efa tena resim-bavy mihitsy anie ianareo izany ry Jean e ! Aiza ve ry Jean ka Rafôrsa efa tena zakan’ny vehivavy amin’ny sangany, ny bianco tsy mahita atao manoloana ny herim-behivavy, dia io koa fa mbola ramatoa ihany koa no tompon’ny sera saingy tsy vitanareo ny mandrodana azy. Efa tena tsy fanaka malemy intsony kay r’ise ny vehivavy a ! Tena mody bonaika fa hay miketrika, sady toa hoe misy be galona koa, hono, miara-miketrika aminy, ka na niteny aza i Solo be fa tsy maintsy hisy mpanambola be hosamborina dia mety izy no hodakana mialoha ny fotoana. Misy fetrany ny zava-drehetra fa aza mihevi-tena tsy ho tratry ny aloka e !

Marco

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT