Edito

Mazava ny drafitra


  • Alarobia 08 Jona 2016

Anio maraina no hihaona amin’ny iraka manokan’ny tahirim-bola iraisam-pirenena nalefa aty Madagasikara ny filoha Hery Rajaonarimampianina.

Fihaonana izay tsy dia misy zava-baovao azo antenaina firy satria matroka ny solaitra ho an’i Madagasikara, mena ny tondro rehetra, ratsy ny naoty. Efa fambara loza ny amin’ny fikatsoana tanteraky ny famatsiambola avy any ivelany ny resaka nifanaovan’ny masoivohon’ny vondrona eoropeanina eto amintsika tao amin’ny Rfi ny alahady lasa teo, izay tena nanakiana tanteraka ny fisian’ny kolikoly eto Madagsikara sy ny gaboraraka amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Ka iza moa no ho avy hitondra  ny volany eto amin’izany e ? Ny zoma ho avy izao indray dia hitsidika ny filohan’ny CENI eny Alarobia Ramatoa masoivoho frantsay eto amintsika, fifidianana no resaka ao mazava ho azy, tahaka ny efa nataona firenena vitsivitsy teo aloha kely teo. Izany hoe manomboka mifantoka amin’ny fifidianana manaraka indray ireo mpiara-miasa amintsika fa tsy misy mieritreritra ny hamatsy vola hanaovana asa fampandrosoana intsony. Mety fomba firesaka ara-diplaomatika no ataon-dry zareo ireo fa raha tsorina ny raharaha dia efa miala any ny drafitra hanatanterahana fifidianana filoham-pirenena mialoha ny fotoana satria na ny eto an-toerana na ny any ivelany dia sy resy lahatra intsony amin’ity fitondrana HVM ity. Fitondrana izay mety napetraka teo fotsiny mba nivoahana tamin’ny tetezamita fa tsy tena nantenaina hanarina ny firenena.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT