Edito

May volon-tratra


  • Zoma 11 Jona 2010


Antomotra toa oron-tsaka ity ny datin’ny 26 jona, itsingerenan’ny niverenan’ny fahaleovantenam-pirenena. 50 taona lasa izay. Nambara ofisialy teo Mahamasina izany, raha efa roa taona talohan’izay no niomanana ho amin’izany. Hafaliana, haravoana, fety, izay no nandraisan’ny Malagasy tsivakivolo izany, fa afaka teo ambany vahohon’ny mpanjanatany. Hadino vetivety teo ny fijaliana noho ny hey famoretana, ny fampijaliana namoizana aina malagasy maro ho fanavotana ity firenena ity, hamerenana ny fahaleovantenany. Ankehitriny, inona no hitranga ? Izay no fanontaniana mby ao an-tsaina. Seriny amin’ny fitadiavana ny Malagasy. Tsy mandry fahalemana ny tany. Andro aman’alina ny asan-jiolahy sy ny fandrobana ary matetika no miafara amin’ny vonoan’olona. Mifandrafy ny samy Malagasy.

Misavoritaka ny politika, samy mandrirotra izay metimety aminy, manampy trotraka ny fanararaotam-pahefana ateraky ny fitadiavan-tseza. Tsy tazana ny sainam-pirenena, tsy eto an-drenivohitra ihany fa hatrany ambanivolo rehetra any. Ny loza dia hatramina tranom-panjakana aza tsy misy saina. Tsy nisy fanentanana sa nisy fa toy ny rano natondraka ambohon-gisa ka tsy mampiraika ny Malagasy. Higadona afaka roa herinandro anefa ity ny fetim-pirenena. May volon-tratra ny FAT ankehitriny. Raha azony natao dia nahemotra ny “26 jona”. Mpitondra efa zatra mpanemotra daty rahateo ity FAT ity. Ka inona no hitranga ? Ho sarotra ny hanao “copie – coller” amin’ny fotoana manaraka fa rehefa 26 jona dia 26 jona. Dia mpanakanto vahiny no nalaina hanariana dia ny Malagasy, hanadinoany ny fahoriana, hanakonana ny tsy fahombiazana, ary hanarontsaronana ny tsy firindran’asa sy ny tsy fahaiza-mitantana. Taratry ny fanatontoloana no nanazavana ny fanafarana mpanakanto vahiny. Dia miampanga tena indray eto ny FAT izay milaza ombieny ombieny fa saro-piaro amin’ny raharaha tokantranon’ny Malagasy ka tokony hataon’ny Malagasy satria vitan’ny Malagasy. Sao mba efa tsy to teny kosa aza ? 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT