May vava iray trano

Tsy mba mahay manaja tena fa manao tahaka ny mpiady an-tsena.


  • Alatsinainy 11 Aogositra 2025

Izay no fahitana ireo manampahefana sy olona mpanohana ny fitondrana sasany.

Tsy mahazaka hevitra hafa, tsy mahazaka toherina, tsy tia mihaino ny hevitry ny hafa. Mieritreritra foana hoe izay eritreretin:ny saina no marina . Izay tsy tia tsy mitaingina, aza mindram-bola rehefa tsy mahazaka mandoan zanabola, tany aloha tany efa nisy ny hoe : izahay aloha izao no eto, izahay no mitondra fa mangina ianareo. Maro ireo teniteny foana sy vava tsy ambina efa nataona manampahefana teto, izay azo handrefesana tsara ny zakan'ny atidohany. Ny olona iray rehefa tsy dia manan-kevitra firy dia manao avo vava sy manandroka olona. Aiza ka mpanao gazety manao ny asany no tandrohana hoe andana miverina mianatra aloha, kanefa maro be ireo manampahefana tsy mahalala na inona na inona akory amin'izay andraikiny fa dia nomena seza, akama tsinona. Mazava be fa efa tarazo nolivaina tamin'ny tetezamita io, Andry Rajoelina izao mihitsy no nanao vavabe teny Ambohitsorohitra raha namory ireo mpomba azy hoe : isika tsy ho any Afrika, alefantsika SMS ny valitenintsika. Resaka fanelanelanana ny krizy tamin'izany fotoana, nampiana hoe aleo isika miala ao amin'ny SADC fa tsy mety amintsika io. Izao misolelaka amin'ny SADC. Rehefa mandinika ny zavamisy dia indrisy tsapa be hoe ratsy tantana ny firenena, andrakandrana no betsaka, resabe sy fampanantenana no andaniana fotoana. Ny tena asa fampandrosoana maivana be. Tranom-pody no vitan'ny vava e !
RTT 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT