Edito

May ny endim-boanjony !


  • Alarobia 19 Febroary 2020

Tsy mandry andro tsy mandry alina ny filoham-pirenena sy ny ekipany amin’ny fanatanterahana ny fanambiny.

 

Niakatra teny amin’ny Rovan’i Manjakamiadana, ary nampanantena ny hahavitan’ny asa mialoha ny 26 jona. Nijery ifotony ny fahavitan’ny fandrodanana tetsy Mahamasina sy nampanantena fahavitan’ny fanarenana. Ary rahoviana no hidina ifotony any Ambilobe sy Vohémar hijery raha vita ilay làlana nanaovana vava be nanakianana ny mpitondra teo aloha ? Na koa ho avy hitondra fanazavana momba ny tsy fahavitan’ilay orinasa nampanantenaina hotokanana ny volana desambra lasa teo ? Efa mampahatsiahy ihany koa ny any Mahajanga, fa nisy fandrodanana natao mba hananganana vaovao, saingy bozaka aloha izao no maniry amin’ilay toerana. Maro be ny nampanantenaina, fa vitsy no tanteraka satria toa tsy misy ny hoenti-manana. Maro ihany koa ny olona no mbola mino sy manantena. Tena hain’ny mpitondra ny mitaiza sy manabe ny olona hino izay ambarany sy mamboly fampanantenana ao aminy, ka asa na izay tokoa ilay efa nambaran’i Voltaire amin’ny hoe:  “Ny politika dia fomba iray hoentin’ny olona tsy manana paikady mitondra ny olona tsy manana fitadidiana”.  Tsy sanatria fitia te hanakiana, fa tena hihazakazahana ny fametrahana tandindona hoe nanao zavatra. Tena tia mandoko hahitan’ny mason’ny maro ny dian-tanany ny mpitondra. Ireny ve no tena laharampahamehana sy maika ? Fa mba rahoviana vao tena hisongadina ny fanaovana asa miantraika amin’ny any anaty vilanin-dRamalagasy ? Toa ezahina lokoina hatramin’ny sain’ny olona mba horaketina ao an-dohany fa ny fitondram-panjakana notarihiny no nanangana fotodrafitrasa maro. Ny tena manahirana anefa dia ny avo ihany no toa tovanana. Mandeha ny sekoly manara-penitra, dia amina tanàn-dehibe efa ampy ny vahoaka ny tolotra ara-panabeazana no atao, tahaka ny ao Toamasina sy Ambatondrazaka. Mba rahoviana vao ho tonga any amin’ireo faritra lavitra andriana ny fampandrosoana ? Zary lasa fahoriana ho an’ny mpiasam-panjakana ny hafindra amin’ny faritra sokajiana ho “dezaka be” satria tsy mba tonga any ny fampandrosoana, ary tena tsy mirindra sy tsy mirazotra. Raha izany foana ny fomba fiasa, dia ho afaka 50 taona angamba vao hipaka manerana an’i Madagasikara ny fampandrosoana.

Toky  R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT