Manomboka miha dobo ny FAT amin’izao fotoana izao. Miha ritra mantsy ny tahirim-bola ka mitotototo mitady vola izy ireo hamonoana afo noho ny grevy etsy sy eroa. Fantatra ary omaly fa misy ireo mpiasa ao amin’ny Cnaps maneho ny tsy fahafaliany satria ataon’ny FAT «vache à lait», fakana vola, ny Cnaps. Araka ny loharanom-baovao dia tao amin’ny Cnaps no nakana vola 11 miliara fmg nanaovana ny kaonferansa nasionaly teny Ivato. Mbola io loharanom-baovao io ihany koa no mitatitra fa mbola tao amin’ny Cnaps no nakana vola handoavana ny karaman’ny mpiasa sy mpandraharaha eny amin’ny oniversite, fa hoe tsy manam-bola handoavana ny karaman’izy ireo ny fanjakana. Ary raha tsy nisy iny fitokonana iny dia tsy nandray karama ireto mpandraharaha sy mpiasa ireto. Izay ho vita ihany fa ahoana ny karama amin’ny volana oktobra ? Mbola baraingo io raha izao fandehan-javatra izao. Mikasika ny olan’ny mpitsara indray dia mbola eo am-pitadiavana loharanom-bola ihany koa ny FAT handoavana ny zon’ireo mpitsara.
Ny fitakian’ireto farany mantsy dia ny hanasoniavana ny didy fampiharana ny fandoavana ny «indemnité de jugés» ho mariky ny fanekena ny zon’izy ireo fotsiny fa tsy mbola mitaky vola. Tsy matoky izany anefa ny FAT satria raha vantany vao voasonia io dia hitaky ny vola ny mpitsara. Ny vola anefa tsy misy. Noho izay antony izay dia miziriziry amin’ny heviny ny roa tonta. Tsy vitan’izay fa manahy ihany koa ny mpiasam-panjakana sao hotapahina tsikelikely ny karaman’izy ireo. Mandeha mantsy izao ny resaka fa izay ministera vitsy mpiasa aloha no hanombohana izany. Mazava ny antony : ireo no tsy afa-mihetsika satria vitsy. Ny vola eto an-toerana mihalany, ny tahirim-bola iraisam-pirenena na ny FMI lasa nody. Ny mpiasa tsy mandray karama, ny orinasa mikatona, ny vidim-piainana miakatra andro aman’alina, ny asan-jiolahy mameno tanàna. Izany rehetra izany no zava-misy ankehitriny. Mihamafy ny krizy ary miantraika amin’ny tsirairay mihitsy amin’izao fotoana izao. Ho hita eo ny tohiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.