Nirehitra ny bazaribe ao Toamasina. “Hasomparana tsy fahazakana fifaninanana sa loza efa ho avy ?”, hoy ny fanontaniana mibosesika eo ambavan’ny mponina ao an-drenivohitr’i Betsimisaraka velon’ahiahy manoloana ny fisesin’ny fahamaizan’ny tsena tao Toamasina tato ho ato. Mihazakazaka ny tomponandraikitra na ny avy eo anivon’ny Faritra Atsinanana, na ny avy amin’ny Kaominina mamonjy voina. Manana endrika fifaninanana mihitsy aza amin’izay mahatra-bonjy voalohany ireo niharamboina. Fa eto an-drenivohitra dia may volotratra koa ny mpitondra FAT. Atao avokoa izao tetika sy paika rehetra heverina fa hahombiazana amin’izao tetezamita izao nefa toa ny eo ihany no eo.
Mbetika tambazana ny atsy, fihinina mafy ny aroa mba hisehoana fa tsy miravona ny krizy fa efa miaraka ny mpifandrafy politika taloha, nefa tsy mety mahazo fankatoavana iraisam-pirenena ihany. Vao mainka aza kianin’ny mpanara-dia aminy ho tsy mahavoaka baolina, ary mandetika ny firenena amin’ny kizo. Dia mikiribiby indray mitondra eo anatrehan’ny fitsarana ilay raharaha 7 febroary, nisiana vono olona teo Antaninarenina. Ao anatin’izany anefa dia tsy voahaja na ny paikady voafaritry ny lalàna na ny zon’ny voapanga, fa dia ny hanameloka no ihazakazahana mba hakana ny fon’ny olona indray. May Ambodrona e ! Io no ambentin-dresaka teny amin’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy teny omaly, nandritra ity raharaham-pitsarana ity miresaka ny fihetsiky ny mpitondra ankehitriny. Tsy hitan’ny mpitondra FAT izay hatao, hibaboka fa tsy mahavita, tsy ho zaka ny vavam-bahoaka ; hikiribiby hanohy anefa tsy tafavoaka fa sempotra. Ho avy rahateo ny iraky ny SADC, izay hanana birao maharitra eto, hanara-maso ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena. Etsy andaniny ny Ankolafy Telo nilaza fa hanamafy ny fihetsiketsehana ataony raha mbola miziriziry ny FAT. Mafanafana ny raharaha tsy araka ny maha ririnina ny andro.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.