Edito

May Ambondrona !


  • Alarobia 18 Aogositra 2010


Manahy mafy amin’ny tsy hahombiazan’ny fihaonambem-pirenena ny ao amin’ny fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita. Porofon’izany ny taratasy misokatra nalefan’ny talen’ny kabinetrany, Zazah Ramandimbiarison any amin’ny Pr Zafy Albert sy Didier Ratsiraka, mitaona azy ireo hanatevin-daharana ny tambajotra fikaroham-bahaolana hivoahana amin’ny krizy. Nambarany fa efa nanao ezaka tamin’ny fitadiavam-bahaolana ny FAT, toy ny natao teny Ivato farany teo sy ny fisian’ny Raiamandreny Mijoro, koa miandrandra ny traikefan’ireto filoha teo aloha ireto ny vahoaka sy ny tanora, ho fiantohana sy ny filaminana, hoy ny taratasy misokatra. Asa na manao ririnin-dasa tsy tsaroana ny FAT, fa vao ny 12 mey 2010 teo i Andry Rajoelina, filohan’ny FAT, no nahavita nilaza fa tsy nisy afa tsy fampahantrana, fanambotriana ity firenena ity, no nataon’ireo mpitondra nifandimby tao anatin’izay 50 taona nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantena izay, ary tsy nahavita zavatra holovain-taranaka. Inona no maziamazia tao ka hilazan’ny FAT indray ankehitriny, amin’ny alalan’ny talen’ny kabinetra, fa ilaina ny traikefan’ireo filoha roalahy teo aloha Pr Zafy Albert sy Didier Ratsiraka ? May Ambondrona ! Miharihary eto indray fa tsy tafavoaka ary sempotra ny FAT ka mila vonjy amin’ny Ankolafy Telo. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT