Edito

Maty tsy manota


  • Alatsinainy 26 Septambra 2016

Manomboka miha mafampana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Miha mahazo vahana ny mpanohitra ny fitondrana ary efa mahasarika

olona ny mpanao politika hanao ny fomba fanao nahazatra teto amin’ny firenena. Mitady hiverina ny tantara satria dia saika toy izao avokoa no niantombohan’ireo hetsika nandrodana fitondrana teto amintsika. Raha nitokana ny kianjan’ny demokrasia ny filohan’ny antoko TGV tamin’ny fotoan’androny dia navela nalalaka satria nambarany fa hanehoan-kevitra an-kalalahana no antom-pisian’ny kianja. Ny zava-nisy anefa dia fotoana sy volana vitsivitsy monja dia nivaona tamin’ny fifanarahana ka lasa fikotrehana fanakorontanana ary dia nampipoaka ady. Tsy mahagaga raha mailo ny fitondrana ankehitriny ka mangeja tanteraka ny fahafahana na dia fantany aza fa tsy mety ny ataony. Ny mampalahelo anefa dia toy ny tonga amin’ny fitenenin’ny mpikabary iray izay hoe : « ny tsy maty manota mampiasa ny vahoaka hiadian-tseza ka manjary ilay vahoaka indray ity no maty tsy manota ».

Faralahimatoa   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT