Edito

Maty ny kintana


  • Alatsinainy 13 Febroary 2012

Nibahan-toerana tamin’ny vaovao iraisam-pirenena ny faran’ny herinandro teo ny nahafatesan’ilay andriambavilanitra anisan’ny ambara fa tsara feo indrindra maneran-tany ny sabotsy 11 febroary lasa teo, dia i Whitney Houston.

 48 taona izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao, ary tany anatina trano fandraisam-bahiny tany Beverly Hills, Los Angeles – Californie no nahitana ny vatana mangatsiakany. Tsy mbola fantatra mazava ny antony nahafaty azy, mandeha ny fanadihadiana. Ny tsaroana fotsiny dia tena nandevozin’ny zava-mahadomelina efa ho 10 taona mahery izao i Whitney Houston. Tena nanimba ny vatany sy ny asany amin’ny maha mpihira azy izany. Faramparany teo aza, dia fantatra fa tsy nahavoaka feo intsony izy, tao anatin’ny fandaharam-potoanany anefa ny hilalao sarimihetsika sy hiverina indray eo amin’ny sehatry ny hira. Voatondro fa nahatonga ny famoizam-pony ny fikorontanan’ny tokantranony niaraka tamin’i Bobby Brown, mpiangaly rap Amerikanina, ary nosokajiana ho anisan’ireo hoe “zaza maditra” any Etazonia.

Azo antoka fa taorian’ny nahafatesan’i Michael Jackson ny 25 jona 2009 dia tena hamela banga goavana eo amin’ny tontolon’ny mozika any Etazonia ny nahalasa an’i Whitney Houston. Tany amin’ny fisasahan’ny taona 80 tany no nanomboka nampalaza azy, ary tonga hatraty Madagasikara mihitsy ny lazany. Ireo manodidina ny 35 ka hatramin’ny 45 taona amin’izao fotoana no tena nihanoka ny hirany, tamin’izany andro izany. Anisan’ireo mpanakanto nanam-bola be indrindra maneran-tany i Whitney Houston. Ankoatra ny fanaovana fampisehoana nitety izao tontolo izao, dia nahalafo kapila, k7 sy kapila mangirana manodidina ny 170 tapitrisa izy tao anatin’ny 25 nihirany. Hatramin’ny 2010 no ho mankaty anefa dia niha tsy nanambola ary tena azo ambara hoe lasa nahantra sy farahidiny mihitsy izy. Nisy tamin’ireo fianakaviany aza no tsy nety nifandray taminy intsony. Teo ny fahasahiranana sy ny olana maro samihafa, fa ny mampitovy hevitra ny maro dia tena nanimba ity mpihira malaza ity ny fibobohana toaka sy fidorohana rongony isan-karazany, na fohana io, na atsindrona na trohana amin’ny orona. Nivarilavo tanteraka izy dia izao nodimandry izao no niafarany. Dia tena mahagaga fa na betsaka izany na kely ny vola, dia tsy maintsy misy ao foana ny olana, ary rehefa tsy hita izay vahaolana dia izay no izy, fa tsy mahavonjy intsony ravola ary mety tena mandao sy mamono mihitsy aza.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT