Edito

Maty ny afo ?


  • Alakamisy 20 Aprily 2017

Toa lany andro amin’ny fanamelohana am-bava sy ny resabe etsy eroa ireo izay manampahefana efa nahavelombolo ny rehetra, fa hijoro sy tsy hanaiky lembenana tamin’ilay raharaha nahasaringotra ilay vehivavy malaza tamin’ny kolikoly.


 Samy manantena ny Malagasy fa hitondra rivo-baovao sy santatry ny fanafoanana ny tsimatimanota ny fijoroana sy fandrangarangana fahavononana fa hiady sy tsy hanaiky lembenana na inona na inona tsindry satria iaraha-mahita ny tanjaky ny olona enjehina na ara-bola na ara-pahefana. Mampametra-panontaniana kosa ankehitriny hoe efa nisy tsy nahatanty ny mena miraviravy ve sa nitombina ny hoe tsindry bokotra tany ho any no nahatonga ireo nijoro sy nilaza ho ren’ny ambanilanitra fa tena olom-banona sy vonona hampanjaka an-drafahamarinana fa toa efa mitsilopilopy ny afo ? Na ireo tsy nisalasala nandiso sy nanameloka ny fitsoahan’iny vehivavy iny aza efa manomboka miaro tena sy mitandrina fatratra noho ny namany voaresaka ao anatin’ny raharaha. Manomboka maty ny afo, fa tsy arakaraka ny nanampoizana azy. Raha izay no tanteraka dia ny afom-pahatezeran’ny vahoaka indray no mety hirehitra sy hiredareda, ka maro no hizaka ny voka-dratsin’ny famitahana sy ny fanaovana ronono an-tavy teto. Dia sanatria ve ka efa naman’ny vita ho azy sy tsy misy tohiny iny raharaha iny ? Hisy marina sy rariny hivoaka intsony ve eto  Madagasikara ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT