Higadona afaka 48 ora ny datin’ny «29 martsa». Samy manana ny fomba hanamarihany io daty io. Ho an’ny Malagasy 20 tapitrisa dia natokana hahatsiarovany ireo mpiray tanindrazana aminy iray hetsy teo ho eo namoy ny ainy, ankoatra ireo nitondra takaitra, niady tamin’ny mpanjanatany ho fanavotana an’i Madagasikara teo ambany vahohon’ny Frantsay mpanjanatany hamerenana indray ny fiandrianam-pirenena io andro io. Ho an’ny mpitondra dia herintaona katroka amin’io 29 martsa io no nivoahan’i Andry Rajoelina an’Antananarivo, ka nandehanany any amin’ny Faritra amin’ny maha filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita azy, ka ny tanànan’i Moramanga no nalehany tamin’izay nahatsiarovana io andron’ny tolom-panafahana io. Betsaka ny fampanantenana nataony tamin’izany fotoana, ny hikarakarana ireo zokiolona, akanga sisa nanamborana. Fahadisoam-panantenana ny azy ireny ankehitriny.
Nihena toa fen’antitra ny vola fanampiana fandray isan-telo volana, tsy vitan’izay fa mbola tara indray ny fandoavana azy, toy ny tamin’ity volana martsa 2010 ity. Niveri-maina ireo Bekotro nanantena ny handray vola tao amin’ny RM1 foiben-toeran’izy ireo omaly, ary aorian’ny 29 martsa indray vao asaina niverina fa tsy misy vola. Tsy manam-pidiny ireo mpiady tranainy, na dia hita ho mai-molotra ihany aza namonjy fodiana. Izany no fiovana, ny lasa momba ny lasa, hadino ny ran’ny Malagasy nahafoy ny ainy ho an’ny tanindrazana. Raha tsy izany ve hifaly hanao “da fety be” ny fitondrana ankehitriny hankalazana ny “29 martsa” raha toa ka vavaka, fangataham-pitahiana sy fahatsiarovana ireo nodimandry no hanokanan’ny tia tanindrazana ny andron’ny 29 martsa io. Maty hasina tanteraka ny fiarahamonina Malagasy, tsy misy ny fanajana Raiamandreny. Firenena iza eto ambonin’ny tany no manana filoha roa sesitany raha tsy i …Madagasikara ? Taiza no nisy filoham-panjakana tsy nandalo fifidianana akory nefa nosalorana samboady sy fianianana tamin’ny baiboly, raha tsy teto Madagasikara ? Nivadika tanteraka ny rasa !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.