Edito

Maty eritreritra!


  • Alatsinainy 03 Aprily 2017

Mihevitra ny vahoaka ho vendrana mihitsy ny mpitondra ankehitriny amin’ny fihetsika ivelany. Vao manomboka manao fihanihanana ny filoham-pirenena, dia isan’ny mivoitra ny hoe hitandro sy hiaro toa anakandriamaso ny fiandrianam-pirenena, saingy ny mifanohitra amin’izany no tanteraka ankehitriny.

Ny haren’ny tena naondrana any ivelany aza ny vahiny no toa nikofokofoka tamin’ny raharaha, fa ny mpitondra teto amin’ny firenena ninia nangina, raha ho raisina ho ohatra ilay andramena maro be tratra tany Singapour 3 taona lasa izay. Mila ho isan-kerinandro ny fivoahana any ivelany hangata-bola sy hitrosa fa ny sandan’ny haren’ny tena miondrana any ivelany tsy resahina, ka ny tena indray aza no toa manome vahana ny mpandroba. Tsy mila mangataka sy mitangirika lava isika raha ireny harena ireny no voatantana ara-drariny saingy ny mpitondra eto amin’ny firenena mihitsy no maty eritreritra sy tsy misaina izany hanavotra ny firenena izany, fa ny hibizina miaraka amin’ny vahiny sy hameno ny paosiny ihany no masaka an-tsainy. Izany no mpitondra mbola mihevitra sy mikaro-kevitra hatrany ny mbola hifikitra amin’ny seza, ka mahavita mitady làlana ambanin’ny tany hijanonana eo. Dia efa maty eritreritra ihany koa ny vahoaka, raha mbola hanaiky lembenana eto e !

Toky

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT