Tsikaritra taorian'ny namoahan'ny CENIT ny datim-pifidianana fa mihetsiketsika ireo mpanao politika isan-tokony.
Efa manonofy ho filoha na depiote sahady angamba, ao koa ireo mihevitra ny ho Ben'ny tanàna. Manomboka izao ihany koa dia hifanesy ny fihaonambe na kongresy ataona antoko politika ka hamoahana anarana kandida amin'ny fifidianana filoham-pirenena, ohatra, na hilazana ny hevitry ny antoko momba ny fifidianana sy izay olona mety hotohanana. Manomboka miseho ihany koa ny fifandirana, efa misy ao anatin'ny vondrona Les AS sy ny HPM izy io, ka any anaty gazety sy amin'ny haino aman-jery no mifamaly ireo mpifanandrina. Azo hanaporofoana izany tranga izany fa tsy mbola niova ny mpanao politika sy ny fanaovana politika eto Madagasikara, fa rehefa misy tombontsoa na rehefa hanongam-panjakana dia miaraka. Mampibaribary koa ireny tranga ireny fa tsy tena mbola tomombana tsara ny fiarahana ao anatina vondrona lehibe iray.
Efa hita ihany moa ny fifandirana tao anatin'ny samy mpanohana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, izay nivondrona teo anivon'ny KMMR tamin'ny 2002 sy 2003 ka nahatonga ny AVI an'i Norbert Ratsirahonana hanolotra kandida hifaninana tamin'Atoa Ravalomanana tamin'ny 2006 ary avy eo nivadika ho mpanohitra tanteraka mihitsy. Raha tonga indray ny 2009 dia nalaza ny resaka ankolafy, roa aloha tany am-piandohana (dinika teny amin'ny Le Hintsy), nitombo ho efatra (Maputo 1 - 2), ny niafarany dia ankolafy sy vondrona politika 10 no nanasonia ny tondrozotra ny 17 septambra 2011. Ankoatr'io aza dia mbola misy zanak'ankolafy maro be manao fanambarana etsy sy eroa. Raha izao fitrangany izao dia mbola ho marobe hatrany ny ho kandida amin'ny fifidianana filoham-pirenena, ary mbola ho maro kokoa amin'ny fifidianana depiote sy Ben'ny tanàna. Dia mbola ny seza sy ny voninahitra ihany izany ve, no mahamaika ireo milaza azy fa mpanao politika ? Dia tsy mba misy mihitsy ve ny foto-kevitra mifanakaiky ka azo atambatra ho iray dia apetraka mazava ny fitsipika ifampitondrana.
Ny zava-misy ankehitriny no hahafahana milaza fa tena mbola sarotra ny fikarohana marimaritra iraisana sy ny fampihavanana eto, satria ireo mpanao politika tokony ho modely mihitsy no tsy mbola vonona amin'izany. Tsy mahagaga ihany koa raha tsy mety mandroso i Madagasikara satria simban'ny fanaovana politika sy fitantanana tsy mahomby, ary vao mba mitraka kely dia midaraboka dia izany foana. Ny mpanao politika no tsy maintsy mitondra ny firenena sy manampy azy eo ny teknisianina sy ny manampahaizana isan-tsokajiny, koa rehefa matsatso ny lohany dia izay no vita fa tsy misy fahagagana azo andrasana eto e ! Ny mpandamina no manakorontana, ny mpiaro no mampihorohoro, izay ny zava-misy eto Madagasikara, dia mitazana sy variana mitaky fampisondrotan-karama efa ho dimy taona izao ireo manampahaizana fa tsy mba mikaroka fomba hanavotana ity firenena ity, ny mpitondra rahateo moa be marenina ka tsy taitra amin'ny fitokonana intsony fa izay tsy miasa tonga dia soloina. Dia mahazo aina tsara mihitsy ny mpanao afera maizina sy trafika, aondrana daholo ny harem-pirenena. Raha izao no mitohy, atsy aoriana kely atsy dia mety ho lehibena dahalo indray no ho filoham-pirenena eto e !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.