Edito

Matsatso ny lohany


  • Alarobia 15 Jolay 2015

Tena resaky ny moana sy nymarenina, na azo sokajiana ho toa ny resa-jaza mihitsy aloha hatreto ny fandrafetana ilay « pacte de responsabilité » tokony ifanarahan’ny filoham-pirenena sy ny solombavambahoaka

 


.Itsy voalohany toa mody fanina ary ilaza fotsiny fa tokony samy hanao izay asa tandrify azy fotsiny aloha ireo andrim-panjakana fa tsy mifanitsaka andraikitra ; iretsy faharoa indray manizingizina fa mila atao maika io fifanarahana io ary aorian’izay dia tsy maintsy ovaina ny mpikambana ao anatin’ny governemanta.Voaresaka aza fa hoe ny tsy fisian’ny marimaritra iraisana amin’ny toerana hivoriana no mampikatso ny dinika.Tsy te handray andraikitra ve sa tena tsy tompon’andraikitra mihitsy ireo mpitondra antsika no manao resaka hafahafa tahaka izany, hoy ny fanontanian’ny olon-tsotra.Nahoana raha miresaka tsara fotsiny dia ampiadiana ny hevitra dia izay fa tsy miala bala amin’ny resaka toerana hivoriana na hifampidera fahaizana hanadihady isaky ny fehezan-teny ny didy navoaky ny HCC.Inona moa izany fa dia mbola tsy milamina ny ao ambonimbony ao ary hikatso hatrany ny raharaha satria ny lohany mihitsy no matsatso e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT