Mety mahatsapa angamba ny FAT fa tsy mitsoaka mankany aminy intsony ny rivotra ka mety tsy ho tafiainga araka ny lokaloka natao hatrizay indray ny sambo koa izay no mahatonga an’i Andry Rajoelina niaka-pofona ka nanao kabary miendrika fandrahonana tany Analavory ny faran’ny herinandro teo.
Andro vitsivitsy mialoha ny fihaonana any Gaborone tokoa mantsy dia mivoaka etsy sy eroa ny resaka milaza fa tena mbola fivoriana sy adihevitra be mihitsy no hatao any fa tsy misy izany hoe tonga dia manasonia sori-dalana izany. Rehefa tena nandinika ilay sori-dalana tokoa mantsy ny Sadc, dia nahita sy nahatsapa fa tsy maintsy asiam-panitsiana ilay izy satria tsy hampilamina an’i Madagasikara mihitsy ary hita ho misy karazana fitongilanana amin’ny ankolafy Rajoelina. Re nisy iraka manokana hisava lalana any Afrika Atsimo sy Botswana mba hijery ny zava-misy sy handresy lahatra ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Sadc mba tsy hikitika intsony ilay sori-dalana. Hatreto anefa tahaka ireo dia re fa tsy nahomby izany satria tsy hiray tsikombakomba amin’ny olona nampanao politika na ankolafy politika te hampihatra ny didy jadona ao amina firenena iray ny vondrona Sadc izay manana ny maha izy azy aty Afrika ary mitandro toy ny anakandriamaso ny fanajana ny demokrasia sy ny fifandimbiasam-pahefana ao anatin’ny fitoniana.
Raha araka ny feo mandeha ihany dia hiditra ao anatin’ny sori-dalana vaovao aorian’ny fivoriana any Gaborone ny fahafahan’i Marc Ravalomanana mody an-kalalahana eto Madagasikara sy ny hamelana azy hilatsaka hofidiana filoham-pirenena amin’ny fifidianana manaraka eo. Ka tsy tokony hahagaga raha nisafoaka tahaka ireny tany Analavory ireny Atoa Andry Nirina Rajoelina satria tsy mety tanteraka aminy izany rehetra izany fa raha tafiditra eto i Dada dia izay no vita fa tsy maintsy hamerim-bola misimisy ihany any amin’ireo nanohana azy hatramin’izay ny filohan’ny FAT. Re fa somary hisintaka kely ihany koa fa tsy miditra lalina amin’ny raharaha eto Madagasikara ny Frantsay, saingy nanipika mazava kosa amin’ireo saribakoliny eto fa tsy mila an-dRavalomanana miverina eo amin’ny fitondrana, hono, izy ireo.
Efa hatrany am-panombohan’ny dinika hamahana ny krizy tamin’ny 2009 no nipetraka mazava ny hoe fitondrana tetezamita iaraha-mitantana ary misokatra ho an’ny hery rehetra no atsangana eto Madagasikara fa tsy azo ekena ny ankoatr’izay, saingy nikiribiby niroso tamin’ny lalany araka ny eritreretiny fa mety i Andry Rajoelina, ary maro ireo esoeson-teny nataon’ireo manampahefana tao amin’ny FAT momba ny Sadc. Ankehitriny dia miverina eo ihany ny resaka fa tsy maintsy atsangana ny tetezamita iaraha-mitantana sy maharesy lahatra ny maro izany hoe tetezamita tsy milamina izany no misy amin’izao fotoana ary tsy hahavaha samirery ny olana mihitsy. Matin-kambo sy natoky tena loatra ny fahitan’ny maro ny filohan’ny FAT ka nieritreritra fa rehefa tsy avela miverina an-tanindrazana ny olona iray dia tsy hahavita ninoninona intsony ary dia ho adinon’ny vahoaka. Noheveriny fa rehefa darofana baomba mandatsa-dranomaso isaky ny mihetsika ny mpanohitra dia hisitri-belona any anaty lavaka, ary noeritreretiny fa rehefa ampanantenaina vary sy trano mora ny olona dia hikipy manoloana ny tsy rariny sy ny fanamparam-pahefana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.