aloha no tena mahaseriny ny mpitondra antsika, fa tsy tena ny famahana ny marary ny vahoaka.
Toa tsy miova ary tsy hiova, ka rano hosotroina, herinaratra hamokarana, asa hivelomana, fihariana hamoraina,… no andrasan’ny maro dia ny kifetifety, teleferika, kianja na zavatra tsy mamokatra sy tsy miteraka harena no indro fa tonga. Sehoseho ivelany sy fitadiavana doka sy laza no tena mahadodona. Nalaina ny anaram-boninahitra tompondakan’ny indostria saingy ny angovo hanodidina azy aza krizy lava. Ny orinasa eto mandohalika noho ny delestazy, hetra midangana, fahasarotana ara-panjakana,… Ny vahiny tsy liana sy mailo eo anatrehan’ny tsy fisiana fahamarinan-toerana ara-panjakana sy ara-pandraharahana. Lojika raha mihena ny fampiasam-bola vahiny mivantana satria any amin’ny ampahefatry ny tany amin’ny 16 taona lasa izany ankehitriny. Nalaina ny anaram-boninahitra mpitarika mendrika indrindra aty Afrika saingy fahamendrehana sy fahombiazana tahaka ny ahoana no hahafahana mandrefy izany ? Lazaina fa mahantra ny Malagasy fa sambatra ka sambatra amin’ny inona ? Dia io indray ireharehana sy hanaovana serasera manaka-danitra ny hoe : Filohan’ny SADC fa inona marina ny tena ho vokany ho an’ny Firenena ? Madagasikara aza milentika ka haitarika inona no andrandraina hoentina any amin’ny SADC ? Ny fakana lesona amin’ireo Firenena isan’ny misongadina sy mamiratra ao anatin’ireny rafitra ireny no tokony halain-tahaka fa tsy ianao ao amin’ny rambony raha ny filaharana ara-toekarena indray no hiedinedina amin’ny anaram-boninahitra kanefa ny tandindon’ny toekarena sy ny fiainam-bahoaka dia fahantrana lalina, tsy fahombiazana, kolikoly,… Zava-dehibe ny anaram-boninahitra ezahana alaina etsy sy eroa saingy tsy izany no mampandroso fa ny tena fahombiazana azo refesina. Rehefa tsy izay dia mbola tafiditra amin’ilay hoe : « matim-boninahitra », hany ka ny fonony aloha vao ny atiny, ka mety hifandraika amin’ilay fomba fiteny Malagasy hoe : madio ivelany toy ny fasana !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.