Edito

Matim-boninahitra


  • Alatsinainy 24 Jolay 2017

Sambany teo amin'ny tantaran'i Madagasikara ny hoe ny filoha Malagasy no filohan'ny Frankofonia. Amin'ny lafiny iray dia mety ho voninahitra saingy raha dinihina amin'ny zava-misy eto amin'ny firenena sy araka ny fijerin'ny

Malagasy mpitazana kosa dia tonga amin'ilay fitenenana hoe ny an-tratra tsy lavo, ka antsoy ihany koa ny raiben'ialahy. I Madagasikara aza tsy hita izay fomba hoenti-mitantana sy mamaha ny olana, ny kolikoly sy ny afera maizina no mampalaza ny mpitondra ary fahantrana tapitr'ohatra no iainan'ny Malagasy. Dia mbola mirehareha amin'ny voninahitra, izay zary henatra ny mpitondra. Ny filohan'ny firenena sokajiana ho mahantra indrindra eto ambonin'ny tany no filohan'ny rafitra iraisam-pirenena goavana indrindra, kanefa dia tsy menatra hoe ny firenen'ny tena farahidiny sy ataon'ny hafa fanoharana amin'ny ratsy toy ny firenen'ny moramora, kanefa mbola miedinedina ihany satria matim-boninahitra.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT