Edito

Matahotra hanapa-kevitra


  • Talata 30 Martsa 2021

Navesatra iny herinandro lasa iny.Be loatra ireo olom-pantatra, olo-malaza, ray aman-dreny tapaka sy namana,

tsy namana intsony fa nandao ny fiainana an-tany.Tsy voatery hoe noho ny Covid 19 fa nisy lavon’ity valanaretina ity anefa.Lasa ifanosehana ny fanaovana fitiliana, misy mihitsy aza ireo mampiaka-peo hoe : nahoana moa no tsy atao malalaka amin’izany ny fanaovana “test” ka samy mividy eny amin’ny fivarotam-panafody fa tsy hilahatra tontolo andro eny amin’ny village Voara avy eo mbola miandry 2 na 3 andro.Efa hita hoe samy maika, samy taitra…tsy vitan’ny kitaitaitra anea ny toe-draharaha, mila fandinihana sy paikady mazava.Mila voasoritra mialoha ny lalan-kombana ary efa mba misy kajy atao ihany hamisavisana ny ho avy.Izany no atao dia mba hisorohana ny fiovaovan-kevitra eny am-pandehanana, toa ny hoe : tsy mila vaksiny, avy eo hoe hanafatra vaksiny.Raha efa fantatra mialoha fa ho avy ny mpangalatra dia efa niomana sy niambina.Izay no antony tsy hanaovana vava tsy ambina na teny tsy voahevitra, tahaka ilay hoe eto amintsika no hiaingan’ny fanavotana izao tontolo izao.Herintaona aty aoriana, isika no anisan’ny farahidiny indrindra, ary tena mampahonena ny mahita ireo marary mitandahatra eny amin’ireo toeram-pitsaboana eto Antananarivo; ny any amin’ny faritra misy efa tena velon-taraina maraina atoandro hariva.Mba misy mihaino ve izy ireny ? Malaina hamerina ny fihibohana ny fitondram-panjakana satria matahotra ny hatezeran’ny olona nampanantenaina fa tsy hisy fihibohana izany intsony.I Madagasikara angamba efa mafy noho ny eoropeana ka mahafantatra mialoha fa tsy hanao fihibohana intsony.Ary raha tsy hihiboka intsony , inona no mampitavozavoza ny fanjakana mametraka lamina sy fepetra hentitra hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina.Toa na ny mpitandro filaminana mpanara-maso ny fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana aza tsy misy intsony.Sa tena avela amin’izao dia izay lalany any lalany ? Tsaroana eto ny tenin’ilay filoham-pirenena teo aloha : izay mahasoa anareo no ataoko fa tsy izay mahafaly anareo.Ankehitriny toa ny mifanohitra amin’io no mitranga.Manahirana.

RTT 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT