Edito

Mason-tsoavaly


  • Talata 17 Aprily 2018

Efa olom-by ve sanatria ary itoerana bokotra tsindriana mihitsy ireo mpanapa-kevitra eto amin’ny firenena ka tsy maharay baiko tokana afa-tsy ny hanakana sy handrava ireo hetsika mba hany sisa hahafahan’ireo vahoaka mampaneno lakolosy noho ny tsy fahafaliany manoloana ny zava-mitranga iainany ankehitriny?


Hatraiza loatra ny fahalemen’izao fitondrana izao no dia tsy manana fomba fiady afa-tsy izay fanampenam-bava ny hafa izay intsony, indrindra moa fa tato anatin’izao 2 taona farany izao? Hita ho toy ny efa lasa mason-tsoavaly mihitsy ilay vao mangataka hetsika maneho tsy fitovian-kevitra amin’ny fitondrana HVM dia tsy mahazo alalana avy hatrany. Na dia efa fotoana fohy tsy hiafaran’ny fe-potoam-piasana aza ve dia tsy mbola hamela endrika maha te ho tia imasom-bahoaka ihany? Lasa zary mainka aza bontolo avokoa ny fanatanterahana ny zava-drehetra ataon’ny ekipan’ny HVM fa dila tanteraka ny lojika politika sy ny lojikam-pitantanana ahafahana mamoaka ny vahoaka anaty fahantrana. Ekena fa taom-pifidianana ity taona ity saingy zary natao anjorombala tanteraka izany aloha ny fampandehanan-draharaham-pirenena araka ny tokony ho izy fa lasa ny hanohizana ny fitanana ny fahefana hatramin’ny taona 2030 no tanjona fototra. Na ny fotoam-bitan’ny filoha farany teo aza dia efa manatsidika sahady ny fikasana hanilika kandida hafa hatahorana raha nilaza fa tsy tokony hisy hialokaloka amin’ny famotsoran-keloka sy fampihavanam-pirenena intsony. Ho ajanona tanteraka hatramin’ireo rafi-pampitoniana ireo ihany koa ve izany? Sao dia efa fiantsiana rombo?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT