Edito

Masoandro tsy miposaka


  • Talata 25 Jona 2019

Rahampitso no hankalazaina ny tsingerintaona faha-59 niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara, 26 jona voalohany amin’ny maha filohan’ny Repoblika voafidim-bahoaka an’i Andry Rajoelina ihany koa io.

 

 Mifanandrify indrindra amin’ny fandraisan’anjara voalohan’ny ekipam-pirenena Malagasy amina fifaninanana avo lenta Afrikanina momba ny baolina kitra. Raha ny tokony ho izy, fety tsy misy ohatr’izany eraky ny tanàna sy manerana ny nosy. Tsy dia izay loatra anefa ny fahitana azy fa mangatsiatsiaka manaraka ny vanin’andro ririnina ny ambiansy. Nilatsaka ny fankafizan’ny vahoaka ny filoham-pirenena 5 volana aty aorian’ny nifidianana azy, fa tsy tahaka ny tamin’ny propagandy intsony. Angamba izay vao tonga saina ny olona, hoy ny mpamakafaka sy ny mpanaraka tsara ny raharaham-pirenena izay resy lahatra fa nisy tsy milamina iny fifidianana filoha farany teo iny. Efa nanaiky moa ny rehetra ary tafapetraka soamantsara ilay filoha. Mety sahirana tokoa ve ny Malagasy ka tsy dia mivaky loha amin’ny karazan-danonana maimaimpoana etsy sy eroa sa misy zavatra hafa ao ? Ny mampanahy dia hihamafy io tsy fivakisan-doha na tsy firaharahaina io ka hiasa irery eo ilay filoha sy ny governemanta dia hihisatra ny asa fampandrosoana, raha tena fampandrosoana tokoa no atao. Dia ho sanatria ve miandry ilay masoandro tsy mety miposaka Ramalagasy. Maro ihany izay fampanantenana re teto izay fa izao mbola maloto, mikorontana, miaina anaty gaboraraka izao ny fiarahamonina eto. Efa very tanteraka ny fahendren’ny Ntaolo taloha, ary mety misy mihitsy ny ankizy sy tanora ankehitriny tsy mahazo tsara intsony io voambolana niantsoana ny razamben’ny Malagasy io. Lefy ilay afom-pitiavan-tanindrazana, dokam-barotra sisa fa tsy misy heviny mafonja intsony. Averina eto ihany ny zavatra efa notaterina an-taonany maro teto amin’ny Tia Tanindrazana fa tena mbola mila fampihavanana tena izy ny Malagasy fa tsy mety izao kisarisarina fitoniana izao. Tena tsy ny takotra intsony no hipoaka atsy ho atsy fa ny vilany mihitsy no ho vaky raha mbola miaina ao anatin’ny fifampihatsarambelatsihy ihany ny Malagasy.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT