Edito

Masoandro


  • Alarobia 02 Novambra 2016

Masoandro no solon’anarana iantsoan’ireo mpitrandraka vato ao Anjozorobe ny filoham-pirenena ankehitriny.

Tsy misy taratasy izahay, hoy ireo milaza azy ho iraky ny filoham-pirenena any an-toerana fa ny masoandro sy ny zanany no solon’ny taratasy, raha ny fitantaran’ireo nitaraina tamin’ny filoham-pirenena, noho ny toe-draharaha mitranga any an-toerana amin’izao fotoana izao. Nizara kapila mangirana tamin’ny mpanao gazety izay mirakitra porofo mihitsy moa ireto zanak’Androy ireto. Midika zavatra goavana be io teny masoandro io. Izaho no masoandro miposaka vao maraina, hoy i Farao, teo amin’ny tantaran’i Egypta. Natao hitondra fahazavana sy hafanana ny masoandro ary nohajain’ny vahoaka egiptianina tokoa ny mpanjakany tamin’ny fotoan’androny satria nitondra fandrosoana ary dia izay fandrosoana nentiny izay no toy ny fahazavana sy hafanana nampiaina ny firenena iray manontolo. Raha ampitahaina amin’ny zava-misy eto amintsika kosa ny zava-nisy efa tamin’ny fahagola be toy izany dia mba mahamenatra ihany satria dia mbola manjaka eto ny tsy fandriampahalemana sy ny kolikoly ary ny tsy fetezan-javatra isan-karazany, hoy ireo mpandinika isan-karazany. Miandry ilay masoandro hiposaka.

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT