Feno hipoka ny trano fiangonana rehetra omaly hariva noho ny alakamisy Masina, izay hahatsiarovan’ny mpino Kristianina ny alina farany niarahan’i Jeso Kristy tamin’ny mpianany.
Io no fiaraha-misakafo farany teo amin’ny mpampianatra sy ireo mpianany ary nanamafisan’i Mesia fa hisy iray amin’izy 12 mirahalahy hamadika azy ary dia hosamborina sy homelohina ary hovonoina izy. Io ihany koa no fotoana nanamasinan’i Jesoa Kristy ny Eokaristia na ny mofo sy divay izay raisina ho tahaka ny ohatra velona sy hita maso hanambarana ny vatana sy ny ran’i Kristy. Kristianina ny 75%-n’ny Malagasy, ary zanaky ny Fiangonana ny ankamaroan’ireo mpitondra nifandimby sy manampahefana mitantana eto. Tahaka izany koa ireo mpanao politika na mpitarika fikambanana sy any anatin’ny firaisamonim-pirenena any. Mahagaga anefa fa dia isaky ny alahady na sabotsy na misy fety goavana tahaka ny krismasy na noely ary paska ihany vao tsaroana ny maha zava-dehibe ny Finoana sy ny Fivavahana, ny fifankatiavana sy ny fandeferana, ny fibebahana sy ny famelan-keloka. Ankehitriny aza dia henjehina ireo filoham-piangonana ao amin’ny FFKM izay miezaka mitarika ny fampihavanam-pirenena. Ekena fa tsy misy ny olombelona tonga lafatra, saingy misy kosa ny olom-boafidy sy olom-boahosotra nanankinan’Andriamanitra andraikitra manokana. Mialoha izany dia efa nandefa famantarana maro izy, saingy matetika moa dia minia tsy mahita izany ny olona fa mahita ambara foana. Fa tena sarotra be ve ilay mihavana sy mifandamina e ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.