Nihodin-kavia nihodin-kavanana fa tsy mety tafavoaka ny krizy ihany i Madagasikara hatramin’izao. Mikatso tanteraka ny fifanatonana eo amin’ireo ankolafy efatra. Tsy nandrenesam-peo koa ny vondron’ny mpanelanelana iraisam-pirenena, fa mety efa leo amin’ny fahamafisan-dohan’ny mpanao politika malagasy koa angamba. Ny nahoraka izao tato ho ato dia ny fitondrana miaramila, na directoire militaire. Raha ny fanangonam-baovao natao dia maromaro ihany ireo manamboninahitra vonona ny hiditra amin’izany, ary mbola mandeha hatramin’izao ny fifandresen-dahatra eo amin’ny samy miaramila amin’ity resaka ity. Mazava mantsy izao fa tsy tafavoakan’ny mpanao politika intsony ny raharaha ary tsy ho hita na oviana na oviana ilay marimaritra iraisana. Ny atahorana koa raha mitsangana ihany ilay tetezamita iaraha-mitantana dia mety fihatsarambelatsihy sy fingampingana no hitranga ao, ka tsy hisy ny asa vita ary vao mainka aza hihemotra i Madagasikara.
Raha ny tetezamita tarihan’i Andry Rajoelina no mikarakara ny fifidianana dia azo antoka fa tsy hisy hanaiky izay vokatra mivoaka eo ireo ankolafy telo sy ny antoko politika maro be miara-dia aminy. Efa tafatsangana tokoa ilay CENI saingy, mieritreritra ny maro fa tsy azo antoka izy io, satria tahaka ny mirona any amin’ny HAT ihany. Ka rehefa tsy misy intsony ny hevitra fa mikatso ny raharaha dia tsy maintsy miditra an-tsehatra ny foloalindahy, tandroka aron’ny vozona, hitantana ny firenena, hampandry ny tany ary hikarakara ny fifidianana sy hanao izay hahatomombana azy. Mahatsapa izany ny any an-dakazerina rehetra any, araka ny tsiliantsofina re, ary manomboka efa leon’ny sangodim-panina ataon’ny mpanao politika, ka mivonona handray andraikitra atsy ho atsy. Na tiana na tsy tiana tokoa mantsy dia tompon’andraikitra feno amin’ny krizy mahazo ny firenena koa ny miaramila, satria efa niditra nanao politika ry zareo. Efa nomena azy izao ny fahefana dia nolavina, ankehitriny te haka ny fahefana indray. Raha mitombina izany dia inona ary ny antony niandrasana herintaona ? Raha nipetraka tamin’iny 17 martsa iny izao ny directoire militaire, mety efa nahavita fifidianana isika tahaka izay. Na izany aza anefa dia fantatra fa mbola miala nenina ihany ny foloalindahy ka miandry izay tena fanapahan-kevitry ny mpanao politika, mialoha ny hidirany an-tsehatra amin’ny fitantanana ny firenena. Raha atao indray mijery izany rehetra izany, dia nitombina ihany ny eritreritr’i Marc Ravalomanana tamin’ny 17 martsa 2009, ny hamindra fahefana tamin’ny miaramila, satria efa tsinjony fa hisavoritaka amin’ny ady seza sy ny fikarohana tombontsoa manokana ireo mpanao politika. Tsy raikitra anefa izany satria nandà ny handray ny fahefana ny miaramila, ka namindra azy tany amin’i Andry Rajoelina. Dia izao iaraha-mahita izao ny vokany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.