Edito

Marimpana hafahafa


  • Sabotsy 04 Aprily 2020

Naman’ny atao hoe tontosa izany aloha izay ny andiany voalohany tamin’ny fisedran’i Madagasikara ny fihibohana an-trano hiarovan-tena amin’ny

 

 

fihanakana valan’aretina na viriosy izany. Raha ny fitondram-panjakana sy izay tompon’andraikitra rehetra niara-nisalahy tamin’izy ireo, eny, na ireo mpankasitraka ny fitondram-panjakana manokana koa aza dia heverina fa samy manana ny heviny tao anatin’izay ady voalohany izay. Ny olom-pirenena tsotra, indrindra moa, fa izay tena hoe nandray ny fepetra fiarovana sy fitandremana tamin’ity aretina ity kosa dia tsy izay mbola tsy mitaintaina sy miahiahy mandrak’androany. Hitsikera ilay fomba fiasa anefa mihaotra satria na ny mpanao gazety aza voafetra tampoka teo ary tena samy nahatsapa fa nahena dia nahena ny fahalalahany ao anatin’izao fotoana tena tokony ilana azy indrindra izao. 14 andro ngarangidiny, anarana fotsiny ny hoe fihibohana fa ny zavatra tsikaritra dia ireo tompon’andraikitra tokony ho maodely indray no mampitangorona etsy sy eroa. Analakely ve tsy nahitana an’izany? Mahamasina ve tsy nahitana an’izany? Ampefiloha ve tsy nahitana an’izany? Ny omaly izay moa dia toy ireny hita tanaty sarimihetsika mitantara ny fandalovan’I Jesoa Kristy tao Nazareta ireny mihitsy ny fifampitakosonan’ny olona teny amina toerana iray izay nahoraka teto an-drenivohitra. Ny tompon’andraikitra manao ny ataony. Ny olom-pirenena koa tsy hay fehezina. Ny tompom-pahefana sasany aza moa mbola manana fotoana hanaovana fanenjehana etsy sy eroa ihany. Dia mbola mitohy ny fanontanian’ny mpitazana. Ho resena tanteraka marina ve ity areti-mandripaka ity sa vao mainka haparitaka sanatria? Ao anatin’izao zava-mitranga efa mampisahotaka ny fiarahamonina izao no mbola misy maripana hafahafa volen’ireo heverina mba tokony tena hankahery sy hampitony tanteraka ny vahoaka manontolo ihany. Ny hirariana aloha dia ny mba hisian’ny fahagagana indray ao anatin’izao raharaha izao ka ho afaka tanteraka sy tsy hiharan-doza mampihoron-koditra ny firenena. Mba samy hiteny angamba ny rehetra amin’izay fotoana izay hoe samy notahian’Andriamanitra.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT