Edito

Marimaritra iraisana hoe e ?


  • Alatsinainy 19 Novambra 2012

Mety hafampana indray ny eto an-drenivohitra amin’ity anio ity noho ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny samy mpitatitra.

 Saran-dalana no fototry ny resaka eto. Hafa kely fa ireo zotra miasa eto an-drenivohitra mivondrona ao amin’ny UCTU indray no tena maika amin’ny fampiakarana ny saran-dalana ho 400 Ariary, fa ireo zotra ivelan’Antananarivo sy tena mandeha lavitra indray, no vonona hitazona ilay sarany 300 Ariary sady mbola hanitatra ny lalana ka hitatitra ny olona amin’ny faritra maro eto an-drenivohitra. Ny zotra G avy any Alakamisin’i Fenoarivo, ohatra, dia mety ho tonga hatreny Ankatso, raha toa ka nijanona teo Anosikely hatramin’izay. Tsy manaiky io fanitarana lalana io ireo taksibe eto an-drenivohitra ka milaza ny hihetsika amin’ity anio ity, mety hametraka barazy, na koa tsy hiasa izy ireo ao anatin’izany rehetra izany. Ny fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa moa, mazava ho azy fa dia manentana ny olona mba hiaro ireo taksibe mitazona ny saran-dalana 300 Ariary. Efa nisy nametra-pialana ny sasany amin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny UCTU ary mitaky koa ny fametraham-pialan’ny ao amin’ny ATT na Agence de Transport Terrestre.

Mitady ho lasa tantara be tsy mety vita tahaka ny fampiharana ny tondrozotra ity fitaterana eto an-drenivohitra ity satria mipoitra izany izao ny ankolafin’ny 300 sy ny ankolafin’ny 400, dia mba samy manovokovoka miaro ny foto-kevitra ijoroany eo ny roa tonta. Maro ny fivoriana efa natao momba ity fitaterana sy taksibe ity, saingy tsy nety hita ny marimaritra iraisana, tsy hay intsony na ny mpitondra no be marenina sy tsy milefitra mihitsy, na ireo kaoperativa no tia tena sy manao be loha ka tsy te hahalala ny hevitry ny hafa. Ny fiakaran’ny vidin’ny solika sy ireo kojakoja ilaina amin’ny fiara no nambara fa antony tsy maintsy nampisondrotana ny saran-dalana. Dia misy mpitatitra manambara anefa fa tsy mbola maty antoka ry zareo raha tazonina ho 300 Ariary ilay izy, ny fanjakana koa hita fa malaina dia malaina hanohy ny “subvention”, no sady tsy marisika hampihena ny hetra alainy amin’ny mpitatitra. Ireo mpivarotra solika aloha dia tsy hampidina ny vidiny intsony na dia haniry nify eo aza ny akoho.

Dia tsy maintsy ny mpanjifa foana ve izany no ho tratra farany sy hizaka ny mavesatra rehetra e ? Raha fandaminana ny fitaterana eto Antananarivo renivohitra aza dia efa tsy hahitana marimaritra iraisana ao anatin’ny herintaona, satria efa hatramin’ny 2011 no nifandrirarira amin’io resaka saran-dalana io ny fitondrana tetezamita sy ny mpitatitra, dia ahoana moa no hinoana fa hahita marimaritra iraisana, hifamela sy hihavana ny mpanao politika sy ny Malagasy amin’ny ankapobeny ato anatin’ny enim-bolana ? Ho fifidianana milamina, madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra ve no hatao eto amin’ny 8 mey 2013 ? Tena mampieritreritra a !

 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT