Edito

Marimaritra iraisana


  • Alakamisy 07 Jona 2018

Marimaritra iraisana ! Fintinina ihany koa amin’ny hoe « marimaritra ». Fomba fiteny na voambolana iray izay nanamarika ny tantara sy ny fiainam-pirenena malagasy io tato anatin’ny 9 taona farany.


 Lainga tokoa aloha raha hilaza fa fampandrosoana no naterak’izany tao anatin’izay fotoana izay saingy io no vahaolana niraisan’ireo mpisehatra « vaventy » rehetra eo amin’ny tontolo politika malagasy fa mba mety hitondra any amin’ny fitoniana, fara faharatsiny, mandra-pahavitan’ny fifidianana. Izay izany no marimaritra ! Efa be dia be sahady moa ireo tsikera mandeha amin’izao fotoana izao mikasika ny fomba nanendrena ilay nolazaina ho praiminisitry ny marimaritra iraisana tsy nampoizin’ny maro teo. Tena nifanarahan’ny rehetra tokoa ve sa noteren’ny mena avy any ivelany ambonin’ny mena eto an-toerana ? Hatreto, na dia nanda ny fanendrena ity voafidy ity aza tany am-boalohany ny vondrona politika izay nolazaina fa nipoirany dia toa nanaiky tsy fidiny ihany ny farany ary ireo « mpitarika mpiara-mitolona » amin’izy ireo koa aza moa dia mba nampiteny ny solontenany fa io izany no ekena na dia hita ho tsy sazoka ihany aza. Hatreo izany dia andeha lazaina hoe marimaritra iraisan’ireo mpitarika sy mpandray anjara politika mivantana aloha iny fanapahan-kevitra iny. Ny mampametra-panontaniana kosa anefa dia hoe aiza ho aiza ny tena anjara toeran’ny vahoaka izay hiraina lava fa tompon’ny fahefana amin’izao fotoana izao ? Nampidirina ho mpandray anjara fototra amin’izay ka hisitraka tombony be indrindra ve sa natao sorona toy ny hatramin’izay indray ? Ho tonga lafatra anie ny fiovana !

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT