Herinandro vaovao indray no diavina, mbola misimisy ihany ireo fitokonana sy fitakiana miandry vahaolana. Efa nisy ny fifampiresahana saingy ny hita aloha
dia mbola namaha olana tamin’ny ampahany fotsiny izy ireny. Sahirana ny fanjakana ary tsy maintsy mametraka laharampahamehana aloha amin’izay krizy tsy maintsy vahana maika. Mibaribary be fa tsy vitany ny mamaha miaraka ireo olana manjo ny sehatr’asa sy seha-pihariana maro eto amin’ny firenena. Resa-be taorian’ny fahavitan’ny fifidianana kaominaly ny amin’ny hisian’ny fanovana mpikambana ao amin’ny governemanta, toa hoe efa nisy ny fifampiresahana tany ambadibadika tany ary nahoraka fa ajanona amin’ny toerany ihany aloha ny praiminisitra am-perinasa, hisy ny minisitra tsy maintsy ho very seza, hisy koa vondrona politika hahatafiditra olona. Tena vahaolana marina anefa ve izany sa mijanona ho ady seza sy adilahy politika tahaka ny mhazatra fotsiny ? Moa ve ho lasa marim-pototra amin’izany ny fitondran’ny Hvm ka afaka tena hiasa hanasoa marina ny firenena sa mbola hihodinkodina an-toerana ihany ka dia ho tapitra eo ihany ny dimy taona… tsy fandrosoana no nisy fa fihemorana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.