Raha niato kely ny fitakian’ny mpianatra eny Vontovorona dia ireo mpandraharaha eny Ankatso indray no fantatra izao fa hitokona eo amin’ny Esplanade anio. Manome fe-potoana ny fitondrana FAT hatramin’ny 31 jolay izao ireo mpampianatra mpikaroka ao amin’ny oniversite Toliara, hampiharana ny didy fampiharana ireo didim-panjakana mamaritra ny tambikaraman’izy ireo. Dila io daty io dia hiditra amin’ny dingana mafimafy kokoa ny fitakian’izy ireo, ary mety ho tonga hatrany amin’ny fampikatsoana ny fanadinana bakalôrea mihitsy aza. Laza adina diso no tonga teny amin’ny mpiadina BEPC tamin’ity taona 2010 ity. Nitrangan’izany koa tamin’ny taon-dasa, saingy tamin’ny fanadinana bakalôrea. Amin’ny taranja matematika avokoa no nitrangan’izany. Herintaona maninjitra anefa no anomanana laza adina. Tsy azo leferina ny tsirambina.
Nitranga anefa izany tato anatin’izao fitondrana Fahefana Avon’ny Tetezamita izao. Kitoatoa no betsaka. Izao anefa dia mbola nailika tsy nandraisana tolokevitra indray koa ny mpampianatra amin’ny sekolim-panjakana tamin’ny famolavolana ny laza adina ho an’ny fanadinana bakalorea. Fanao isan-taona anefa ny mandray tolotra laza adina io, hamantarana sy handrefesana ny fari-pahalalan’ny mpianatra. Taorian’ny valim-panadinana vaky «balle» tamin’ny taon-dasa 2009, ho an’ny BEPC, dia mitombo izay tsy izy ny isan’ny mpianatra mamerin-taona fa tsy maharaka : tsy «au niveau» ! Na izany aza anefa dia mbola misy tompon’andraiki-panjakana eo amin’ny sehatry ny fampianarana tsy misalasala manoro tsotra izao ny zanany mandritra ny fanadinana, mba hahazoana diplaoma CEPE nefa zaza tsy mandalo akory ny kilasy CM2 na T5 na 7ème araka izay hilazana azy. Tsy resahina ireo mitsoaka an-daharana noho ny fahasahiranana ara-toekaren’ny ray aman-dreny nateraky ny krizy. Mitotongana ny faripahaizan’ny zaza malagasy, marary ny fampianarana eto Madagasikara ankehitriny. Amin’ny ankapobeny mihitsy io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.