Edito

Marary jiaby


  • Alarobia 13 Janoary 2021

Marary ny sosialy, toekarena, kolontsaina, fanabeazana. Saika ny sehatra rehetra. Marary daholo !

 

 

 

 

 Ny angovo efa tsy hisy intsony. Efa tsy misy miafina amin’ny rehetra intsony angamba ity afitsoky ny Jirama ity. Efa tany amin’ny taona manodidina ny 1970 sy 1980 tany ho any no nahenoana nihira izany hoe “mbola tsy salama mantsy ity tanindrazantsika ity” izany. Tsy hita intsony izay azo amaritana azy ankehitriny raha ampitahaina amin’ny olombelona. Mitovy amin’ny olona mararin’ny tazo ve? Toa efa tsy izany intsony! Mitovy amin’ireo anaty tsy fahatsiarovantena lalina ve na “a l état comateux ”, hoy ny frantsay izay ? Manalasala ! Raha izao no mitohy dia mety ho lohalaharana amin’ireo firenena mahantra indrindra maneran-tany mihitsy isika fa tsy faharoa avy any amin’ny farany intsony, hoy ny mpandinika iray izay. Toy ny milaza izany fa efa am-bivitra mihitsy ny ain’ilay firenena. Ny harenany alain’izay te handroba ao rehetra. Tsy misy mibedy. Ny vahoakany miraviravy tanana manoloana ny fahantrany miavosa. Ny mpitondra moa fihetsiketsehana sy seho ivelany no tena hamenoany ny kianja. Ny ankoatr’izay hatreto mijanona hatreo amin’ny tabataba. Hiara-kitazam-potsin’izao fahalovana mitombo andro an’alina izao ve izany ny rehetra ?

 

J. Mirija

 

Haut du formulaire

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT