Edito

Manontany basy amin’ny Anglisy


  • Alatsinainy 16 Aprily 2018

Miakatra ny maripana ary tsy an-kitsitsy intsony ny gafy ara-politika avy amin’ny fanjakana.

 Nampiaka-pofona sy mampihorohoro ny mpitondra ny fiombonan-kevitry ny ankolafy lehibe roa nifandramatra tany aloha, izay niray feo eo anatrehan’ny lalàm-pifidianana miteraka ady saritaka. Mijoro ho henjana sy mafy ary manangam-bovona ny minisitry iray ao anaty fitondrana manakiana mafy depiote izay misy mpahay lalàna, fa tsy mahita rirany kely amin’izany sy diso hevitra, hono, ireto farany. Dia tena manontany basy amin’ny Anglisy tokoa ny fitondrana marina mafy, fa ny mpahay lalàna dia dondrona aminy, fa ny tsy nandalina izany indray no lasa nanan-talenta tampoka teo amin’io sehatra io. Tsy natao hanenjehana velively iny olona iny, fa izy ihany koa ilay efa nanaovan’ny mpitsara vehivavy iray isan’ny malaza amina tolona sendikaly hoe: “Asaivo mianatra lalàna aloha R….”! Dia mbola iny olona iny ihany no malaza fa tao ambadiky ny baiko nentina nisotasota haino aman-jery tsy miankina mba tsy ho hita any amin’ny faritra maro manerana ny nosy ilay fandaharana niraisan’ny depiote. Efa homena vahana manokana ny haino aman-jery mpanohana ny mpitondra, efa higalabonana ny haino aman-jerim-panjakana, saingy mbola tsy mahomby sy tsy mandaitra ihany ny fandresen-dahatra ny vahoaka fa tena mendrika ny mpitondra e! Hany hery dia ny mikaroka làlana hatrany ambanin’ny tany hisomparana ny hafa, saingy fomban’ny kanosa ny manangam-bovona, ary fanaon’ny matahotra ny mivovo, hoy ny fitenenana. Toran-kovitra sy mihorohoro, ka manao tsipaky ny miala aina ve?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT