Edito

Manompo vahiny


  • Alakamisy 22 Oktobra 2015

Mody adala manoloana ny fanotofana tany gaboraraka ataon’ireo mpandraharaha vahiny tsy te hahalala izay mahasoa ny Malagasy ny mpitondra fanjakana.


 Tsy misy fanazavana fanampiny na fandraisana fepetra hentitra. Rehefa misy anefa mpandraharaha sy orinasa Malagasy mba te hanao zavatra ho amin’ny tombontsoa iombonana dia mahita hevitra haingana hanakanana izany foana. Fa mbola eto Madagasikara ihany ve isika ? Tsy efa ampy ve ireo hotely sy trano fandraisam-bahiny eto Antananarivo sy ny manodidina handraisana ny vahiny mandritra ny fivorian’ny Frankôfônia amin’ny novambra 2016 no mbola giazana ihany ny tanin’ny labatoara ? Fa dia tena tsy maintsy eo mihitsy ve no hanorenana ilay « village de la francophonie » fa tsy mba nisy toerana hafa ? Tsy misy mihitsy ve mba fitsinjovana ny Malagasy fa dia ny vahiny foana no lolohavina an-tampon’ny loha ? Mandalo dia miserana ny fivorian’ny Frankôfônia fa hitoetra maharitra kosa hamorona asa maro, hanome zavatra tsara kalitao ho an’ny mpiray tanindrazana ny labatoara manarapenitra. Soa ho an’ny rehetra io fa dia tsy fantatra mihitsy izay tena ao an-dohan’ireo mpitondra.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT