Edito

Manompo sa manopa vahoaka


  • Talata 13 Febroary 2018

Any Mantasoa indray no hifamotoana ny mpikamban’ny governemanta anio sy rahampitso. Ny raharaham-pirenena sy ny fampandrosoana hatrany aloha no ambara fa hodinihina sy hifampiresahana. Tsy vita etsy Iavoloha sy Ambohitsorohitra intsony ve ny fandinihana ny raharaham-pirenena, ka tsy maintsy handaniam-bola sy hivoahana lavitry ny renivohitra ?

Raha ny volabe nolaniana sy nilibana tamin’ny filankevitry ny governemanta nitety faritra saika nanerana ny renivohi-paritany izay sy ity hetsika hafa atao any Mantasoa ity efa nahavitan-javatra maro. Ny fampanantenana poak’aty hatrany anefa no mitosaka isak’izay miloa-bava, fa izay fandraisan’andraikitra hoenti-mamaha ny fahasahiranam-bahoaka dia mbola lavitry ny kitay ny afo. Tsy manompo vahoaka fa manompa ankitsirano na tsy mivantana aza, fa amin’ny alalan’ny fihetsika. Aiza ho aiza izao ilay fampanantenana ny mpatory an-dalana nataon-dRajaonarimampianina fa hitadiavana vahaolana maharitra nandritra ilay fizarana hanin-kely indray alina iny ? Sa kosa mbola hiandry propangandy, ka hatsofoka ao amin’ilay vina fisandratana 2030 indray ny hoe: hofoanako ao anatin’ny telo volana ny “4mi”, telo volana dia hahazo asa ny tanora maro be … Toa efa toy ny rano mandeha fotsiny ny balarora mila ho isan’andro. Mbola sahy manompa vahoaka ao anatin’ny fahasahiranana amin’ny fandanilaniam-poana tsy mitondra vokatra. Ara-bakiteny ny hoe miliba sy mihinana alahelon’ny Malagasy amin’ny firobarobana amin’ny volam-panjakana. Misy fetrany sy misy tsininy io !

Toky R     

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT