Edito

Manomboka ny fifaranany !


  • Talata 17 Oktobra 2023

Mihazakazaka ny toe-draharaham-pirenena, mitombo sy mihamafy ny tsindry na avy ato anatiny na avy ivelany.

Miezaka miziriziry amin’ny heviny ny governemanta izay efa nambaran’ny kandida iray izay avy atao anatin’io fitondrana io no nivoaka noho ny antony maro, fa Fanjakana jiolahim-boto. Inona tokoa moa ny fandikan-dalàna tsy niseho teto? Inona ny fanitsakitsahana lalàmpanorenana tsy nitranga? Eny fa hatramin’ny fiandrianam-pirenena aza toa voahosihosy? Boriboriana amin’ny hoe: matahotra fifidianana raha milaza an’ireny, saingy nazava angamba ny valin-teny omaly nataon’ny kandida iray hoe: “Tsy misy matahotra anareo izany eto, fa diovy ny fifidianana, diovy ny kianja hilalaovana, fa tsy hoe: baolina kitra no holalaovina dia rugby no atao”. Ireny iaraha-mahita ireny ny setrasetra politika! Izany Filoham-pirenena izany, dia voafaritry ny lalàmpanorenana fa miantoka ny firaisam-pirenena, saingy ny sary mitranga ankehitriny dia toa ilay kandida mihitsy no mandrisika ny mpomba azy handeha handrato ady, hihetraketraka,… Ady an-trano mihitsy ve no tiana hovolena eto? Te haneho fa mafy sy matanjaka, tsy te hahalala ny hafa, te hampibaribary fa tena ao anatin’ny hery politikany. Lojika ve izany raha ny zava-nisy tao anatin’ny 5 taona. Io iaraha-mahita io ny kopisoroka marolafy, saingy betsaka ihany izay nilaza azy ho mafy sy matanjaka teto, maro izay nisetrasetra sy nampiasa hery izay. Ny fanjakana nalaina tamin’ny herisetra, dia toa voahozona hanao herisetra, hoy ny mpanakanto iray. Hahomby mandra-pahoviana io? Tena mihevitra ve fa matanjaka ka hiezaka hampiakatra ny daozin’ny herisetra ary sanatria handatsa-drà Malagasy hatrany vao hanaiky fa misy fetrany ny setrasetra politika? Tsy ilàna fahaizana siantsa politika be fa tena efa manomboka hita taratra ilay hoe: misy farany ny zava-drehetra ka asa na hanaiky hifampiresaka sy hifandamina ka hampandefitra ny hambo-po sy ny fitiavan-tena na hanisa ny andro sy ny fotoana hipitihana eo manomboka eto?
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT