Edito

Manomboka mivadi-dela


  • Zoma 07 Aogositra 2015

Ny ela maharay roa, ary ny toerana manova olona. Voaporofo io tenin’ny Ntaolo io ankehitriny indrindra ho an’ny mpitondra ankehitriny


. Teny ampiandohana tokoa mantsy dia nanao litania miantso fifanomezan-tanana, fihavanana sy fifankatiavana izy ireo satria ratsy fototra, tsy nanana na dia tamingana olom-boafidy izay hiateherana aza. Na ny antokony aza moa vao noforonina. Ankehitriny, vao mba fifidianana iray no andalam-pahavitana dia efa manomboka mivadi-dela ka voambolana hafahafa indray no mivoaka ny vavan’ny mpitondra ; mahavita manilika tsotra izao ireo mba nanome tanana azy ka manao hoe : mialà ! Izao indray dia tondroina ho manakorontana ireo izay mitaky ny fahamarinana sy hanajana ny safidim-bahoaka. Dia inona indray no hambara rahampitso, sa tsy hiteny intsony fa hanokatra avy hatrany ny varavaran’ny fonja handefasana izay tsy mitovy hevitra ka hotondroi-molotra fa nandika lalàna? Sa izay no ao ambadik’ity fandraisana fanapahan-kevitra misoko mangina amin’ny fanalalahana ny volamena sy basy ity, amin’izay samy mandeha samy mitady, mankany Texas e ?

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT