Edito

Manomboka mazava ny resaka


  • Talata 02 Jona 2015

Tsy misy zava-banona eny amin’ny antenimieram-pirenena, miandry izay ho vokatry ny fitoriana napetrak’izy ireo teny amin’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana ireo solombavambahoaka ;

 


 ao anatin’izany rehetra izany dia manao tohivakana ny fanambarana fanohanana ny filoham-pirenena sy fanoherana ny fihetsik’ireo olomboafidy 121 teny Tsimbazaza nifidy ilay fanonganana azy.Mahagaga fa tsy nisy mihitsy hatreto aloha fanambarana mba nisesisesy koa nilaza fa marina sy mitombina ny fiampangana natao ny filoha, sa ve efa manana paikady hafa mihitsy ry zareo eny Tsimbazaza fa tsy hiroso amin’ny resaka serasera intsony.Misy isan’andro koa ny fihaonana etsy sy eroa, moa va tsy izay ilay hoe tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana ; omaly dia maro ireo nanombatombana fa tsy hahazo rariny eny amin’ny HCC ireo solombavambahoaka ary tsy hisy filoham-pirenena hiongana izany eto ; ny atahorana aza hoy ny resaky ny olona eny rehetra eny dia ny filoha indray no handrava ny antenimieram-pirenena izay miha ratsy endrika hatrany no ho ny resaka vola be mifamezivezy ao isaky ny misy fifidianana atao ao.Ny sehatra iaisam-pirenena ihany koa, hatreto aloha dia hita fa mitsipaka ny mety fanesorana amin’ny teorany ny filoham-pirenena tsy amin’ny alalan’ny fifidianana, ka dia asa indray izay savorovoro politika hitanga eto aorian’ny fivoahan’ny fanapahan-kevitry ny HCC.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT