Edito

Manomboka izao !


  • Alatsinainy 26 Jolay 2010


«Manomboka izao» no betsaka ny an’i Andry Rajoelina nandritra ny fandaharana efa nanomanana valin-teny mialoha naharitra ora iray mahery nalefa tamin’ny haino amanjerim-panjakana sy ny Viva mitambatra ny alin’ny alahady 25 jolay 2010. «Manomboka izao» dia raisina ny fepetra mikasika ny «bois de rose» ka dia omena toromarika ny ministry ny fitsarana hamoaka ny anaran’ireo tompomarika mpanao azy ity. Te hanamafy toy ny nataon’ny FAT herintaona lasa tamin’ireny resaka baomba ireny, i Andry Rajoelina fa tany tsy misy lalàna eto, ka tsy voatery hiandry fitsarana eto, fa dia hotononina ampahibemaso any izao anaran’olona rehetra izao, hampangaina fa mpanao trafikana «bois de rose».

«Manomboka izao» ny sazy hampiharina amin’izay manodinkodina volam-panjakana dia asaina averiny ny vola, miaraka ny onitra ankoatra ny sazy. Dia mbola miharihary mazava eto fa i Andry Rajoelina no mibaiko ny fitsarana, fa resabe avokoa ny fahaleovantenan’ny fitsarana resahina ombieny. Ary izay no tsy nahasahiany mandrava ny FIS, hiarovana amin’izay mety ho hatezeram-bahoaka satria mazava fa be no tsy ho faly amin’ny fanaovana fitaovana ny Fitsarana. Na ny mpitsara na ny olon-tsotra tsy hankasitraka izany. Ny ankoatra izay dia ny nanilika any amin’ny fitondrana teo aloha sy ny fanelingelenana no azony natao mba hanaronana ny tsy fahombiazany sy fiovaovan-keviny lava. Raha akapoka dia niteny nandritra ny ora iray mahery i Andry Rajoelina fa tsy nitondra vahaolana hivoahana amin’ny krizy. Vao mainka aza ho krizy vaovao indray no haterany «manomboka izao» ! 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT