Edito

Manomana ny ho avy


  • Alatsinainy 02 Martsa 2015

7 taona teo amin’ny fitondrana no naongana i Marc Ravalomanana sy ny TIM izay antoko noforoniny. Raikitra taorian’izay ny fanenjehana, fampitahorana, fanaovana antsojay sy ny fanambatambazana ka tao ireo mpitarika na mpikambana TIM no nigadra, nisy ireo nitsoaka tany ivelany



, fa tao ihany koa no namadika palitao fa tsy nahatanty ny mena miraviravy. Zavatra mateti-pitranga izany amin’ny tany mahantra tahaka an’i Madagasikara, tsy dia atao mahagaga firy. Efa lasa ny zavatra taloha, miezaka ny mampivondrona ireo mpiara-dia aminy rehetra ankehitriny Atoa Marc Ravalomanana, izay mahatsapa tsara fa izay mitambatra vato ary izay misaraka fasika. Maro ny lesona tsy maintsy raisina taorian’ireny 2009 ireny, ka ireny indray no atao fototra hanamafisana orina ny zavatra efa hay. Tsy ambikambina antoko ny TIM fa tena antoko goavana na amin’ny isan’ny mpikambana ao aminy izany na amin’ny toerana sy andraikitra sahanin’ny olony. 7 taona teo amin’ny fitondrana ny TIM ary mahafantatra tsara an’i Madagasikara sy ny Malagasy, manana mpitarika mahay sy mahiratra izy dia Atoa Ravalomanana Marc izany. Tsy hanao politikan’ny kisendrasendra ny TIM, tsy handrombaka fahefana fa tena manomana ny ho avy ary sahy milaza fa manana fandaharanasa matotra sy mahomby hanarenana ny firenena.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT