Edito

Manohana hatrany


  • Talata 07 Septambra 2021

Vita izay ny tsikera sy fananarana ary soso-kevitra rehetra nialoha ny lalao manaraka izay ho tontosain’ireo mahery fontsika indray ho amin’ity anio ity atsy Tanzania.

 Na inona na inona lazaina dia saika mifantoka any amin’ireto ekipam-pirenena Malagasy eo amin’ny mpanjakan’ny fanatanjahantena, dia ny baolina kitra, ireto indray aloha ny saina aman’eritreritry ny maro sy ny mpanara-baovao, indrindra, ireo mpankafy baolina kitra Malagasy, ho amin’ity anio ity. Hirariana mba tsy hisy fiantraikany na ara-batana na ara-tsaina, eny, ara-panahy eo amin’ireo mpilalaontsika tokoa na ny harerahana vokatry ny kifetifety rehetra taty an-tanana na ny tsy fahafaha-milalaon’ny mpilalao sasany vokatry ny valanaretina sy ireo savorovoro samihafa eo amin’ireo mpitantana. Tsy mila lazaina intsony moa ny fampidirana ity resaka ity anaty ho lasa anaty tontolo politika. Heverina fa tsara sy hampirisihana aza ny fampidirana azy ho isan’ny raharaham-pirenena saingy haverina hatrany fa tsy fananana manokan’ny filoham-pirenena na ny loko politika tarihiny akory io fa isan’ireo singa goavana natao hitazomana ny voninahi-pirenena. Manohana hatrany, noho izany, no azontsika rehetra atao ary tsara raha raisin’ny olompirenena tsy an-kanavaka ho adidy mihitsy izany. Enga anie mba ahita fandresena na dia ao anatina odidina somary manahirana efa voalaza teo aza ireto mahery fontsika ireto! Na tiana na tsy tiana anefa, na ho miabo na ho miiba, sanatria, ny vokatra hiseho eo amin’ity anio ity dia tsy maintsy hitohy hatrany ny tsikera sy famakafakana mikasika ny tokony harenina rehetra eto amin’ity firenena ity, aorian’izao, na amin’ny lafiny inona io na amin’ny lafiny inona. Na amin’ny sehatra inona na amin’ny sehatra inona ary hirariana mba hahay haka lesona amin’izay ireo tompon’andraikitra rehetra mitady fampandrosoana marina ity firenena ity. Ny anio aloha dia mitohy indray ny fihaikana hoe “Alefa Barea!”.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT