Edito

Manohana an’i Hery Ravalo satria tsy tia migidragidra


  • Alatsinainy 14 Jolay 2014

Manohana hatrany ny fitondrana tarihan’i Hery Rajaonarimampianina ny ankolafy Ravalomanana sy ireo izay miara-dia aminy ary mikatsaka ny hihavanan’ny

Malagasy no sady mivonona ny amin’ny fanarenana ny firenena. Ireo no azo amintinana ny hafatry ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana nambarany teny Bel’Air sy tetsy amin’ny Magro Behoririka ny faran’ny herinandro lasa teo. Olon’ny filaminana sy ny fandriampahalemana Marc Ravalomanana fa tsy mba tia migidragidra.

Safidy tsara indrindra rehefa ny tombontsoa iombonana marina no banjinina

Azony natao tsara ny nanetsika ny rezimanta miaramila mpiambina azy tamin’ny 2009 raha nioko ny Capsat saingy tsy nanao izany izy ho fisorohana ny ady an-trano eto Madagasikara tahaka ny fahita any Afrika. Mbola noporofoiny hatramin’izao fa olon’ny fifampiresahana sy ny fifandresen-dahatra izy, ary izay ihany no hahafahana miroso. Misy ireo mpiara-dia amin’ny ankolafy Ravalomanana, na ny olon-tsotra mety ho gaga amin’ity hoe i Dada manohana ny kandida natolotry ny HVM ary natosiky ny MAPAR ho filoha ity, saingy rehefa mandinika lalina dia mahatsapa ihany fa io no safidy tsara indrindra rehefa ny tombontsoa iombonana marina no banjinina. Mazava be ny fifandanjan-kery eto Madagasikara amin’izao fotoana fa dia mbola tahaka ny nisy tamin’ny 2009 ihany. Tsy azo tohizana intsony anefa ny gidragidra sy ny fandrobana, ny fifanenjehana ary ny fanagadrana. Fifanomezan-tanana, fiaraha-miasa ihany no hahafahana manavotra ny firenena. Mahafantatra tsara an’io Atoa Ravalomanana ka izay no mahatonga azy manao kabary fampiraisankina. Potika amin’ny lafiny rehetra i Madagasikara ka tsy olona iray na roa na vondron’olom-bitsy no hahavita hanarina ny firenena fa tsy maintsy mandray anjara avokoa ny rehetra, indrindra fa ireo manana traikefa amin’ny fitantanana ny firenena no sady mahafantatra tsara ny zava-misy iainan’ny Malagasy hatramin’izay ka hatramin’izao. Efa hatry ny ela no olon’ny fifampiresahana i Marc Ravalomanana ary ikoizana izy amin’ny resaka fifampiraharahana. Mbola vonona ny hitondra ny fahaizany sy traikefany ho fanavotana ny firenena izy, raha araka ny nambarany fa dia miankina tanteraka amin’ny mpitondra ankehitriny ny hahatanterahan’izany na tsia.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT