Mankany, mankany!

Raha ny fepetra takian’ny mpamatsy vola nahatonga ny fitondran’ny Amiraly Ratsiraka


  • Alakamisy 04 Jolay 2024

tamin’ny fotoan’androny nantsoina hoe mpianatra mendrik’izy ireo tamin’ny fotoan’androny

ka hatram’izao dia mbola tsy niala tamina fototra miisa 4 lehibe. Ny fangaraharahana, ny fahaiza-mitantana, ny fanjakana tan-dalàna ary ny demokrasia. Dia samy mitsara any an-tsainy avy izany izao ny mpanara-baovao hoe raha omena naoty amin’ny 20, izany hoe mahazo isa 5 isanisany ireo miisa 4 ireo raha tomombana daholo, dia mba isa firy izany amin’izao taona 2024 izao no azon’ity Madagasikara malalantsika ity amin’izao toerana misy azy faran’ny mahantra eto ambonin’ny tany izao? Miheritreritra izany ny olompirenena tena tia tanindrazana dia mila hitomany mihitsy vao naheno ny resaka fampitam-baovao momba ireo mpiadina BEPC fotsiny. Nilaza moa ny teo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena fa «maromaro» ireo voasambotra. Nisy mpiadina, ny tomponandraikitra na mpanabe. Hatrany amina zavatra heverina fa farany bitika tokony ho ampahafantarina ny mpanara-baovao toy izany aza izany dia efa tsy misy tarehimarika mazava sahady. Toa tsy nahagaga raha tsy nazava koa ny tarehimariky ny vola nampiasana tamin’ny ady tamin’ny COVID tamin’ny fotoan’androny fa dia ny matetika nilazana azy moa mba tsy handiso ny fomba filaza dia hoe teo amin’ny 900 tapitrisa Euro teo. Iny teo ihany fa ilay hoe inona daholo no nampiasana azy ankoatran’ny resaka tosika fameno sy ny karazana fameno rehetra nisy tamin’ireny fotoana ireny? Amin’izao fotoana izao indray dia nalaza moa iny ny hoe fanombohana ny tetikasa lala-migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina na ny «autoroute». Mba natao nalaza kosa aloha ny tarehimarika hoe 25km ho vita. Iaraha-mahalala nefa fa tsy maintsy ho voarakitra ho tantara rehefa fampanantenana. Samy nahatadidy daholo ny mpanara-baovao dia samy nanontany hoe aiza izany ny mikasika ilay 300km mahery? Efa mba hitan’ilay fitondram-panjakana ve ny fahasimban’ny lalana amin’ireo lalam-pirenena tena iankinan’ny fiharian’ny mponina na lalan-drà tokony hampandroso ny ekonomian’ny nosy? Sady manolotra vahaolana ihany ny sasany hoe sao dia mba tokony hahavita hanarenana ny lalana simba rehetra izany volabe maherin’ny 70 tapitrisa Dolara izany? Tonga amin’ilay anihanin-jatovo taloha be daholo ny valiny hoe moa va misy mihaino? Io izao ny fitateram-bahoaka fa toy ireny soavaly tapa-kofehy ireny vao naheno hoe hiakatra ny vidin-tsolika. Misy manararaotra sahady miteny fa tsy maintsy hampiakatra saran-dalana koa na hisy na tsy hisy izany satria efa sady lafo ny kojakoja no mamotika fiara io haratsian-dalana io dia inona moa izany izy ity fa tonga amin’ilay hoe mankany, mankany? Indrisy anefa fa raha izao paoziny hatreto izao aloha izany dia mbola ny fahantram-bahoaka ihany ilay hoe mankany, mankany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT