Edito

Manjombona


  • Alarobia 29 Febroary 2012

Manaraka ny moron-dranomasina andrefan’i Madagasikara ilay andro ratsy Irina.

 Ora-mikija sy rivotra no entiny amin’izany. Mety hitombo hery izy io, ary hatramin’izao aloha dia mizotra mianatsimo andrefana ilay izy, izany hoe misintaka tsimoramora ny fari-dranomasintsika. Na izany aza anefa dia mbola haharitra ny andro ratsy sy manjombona amin’ny faritra maro eto Madagasikara ka anisan’izany ny eto Antananarivo. Migadona ao anatin’izany faharatsian’ny toetr’andro izany ny datin’ny 29 febroary tokony hahavitan’ny fametrahana ny CENI miaraka amin’ny fampiharana ny famotsoran-keloka. Tsy tratra moa ny tanjona. Na ny SADC aza dia efa nahafantatra fa ho sarotra izy io. Hanomboka amin’ity anio ity ihany koa ny diniky ny samy malagasy etsy amin’ny Villa Elizabeth – Ivandry.

Haharitra roa andro izy io ary tanjon’ny mpikarakara ny hivoahan’ny hevitra isan-karazany avy amin’ny herivelona rehetra eto an-toerana mba handrafetana vahaolana tena mahomby, satria efa tena ela loatra ny krizy ary miha henjana ny vidim-piainana, atahorana mafy ny fipoahana ara-tsosialy. Mbola tena manjombona tokoa ny vodilanitra, raha ny famahana ny krizy no dinihana. Hatramin’izao izany isika dia mbola mifanolana ihany amin’ny ho firafitra sy ny fomba fiasan’ny tetezamita.

Misy ny miditra, misy ny mitazana, misy ny mivoaka, misy ny manakiana fotsiny, ao koa ny mpanatsatso. Mihodinkodina an-toerana toa tandrimo ny toe-draharaha eto Madagasikara ary manao mandroso mihemotra isaky ny mihetsika. Tena manana andraikitra lehibe amin’ny fikatsoana ireo mpanao politika, saingy tsy afa-miala ihany koa fa tompon’antoka tanteraka amin’izao fahapotehan’ny firenena izao i Andry Rajoelina sy ny ekipany, izay tsy mahalala afa-tsy ny heviny ihany. Tsy mitondra mankaiza ny fiziriziriana, ary mamono mahafaty indraindray ny hambom-po diso toerana. Na firy na firy fihaonana sy fivoriana ary dinika politika atao eto, na any ivelany, dia tsy hivaha ny krizy raha tsy samy miaiky ny fahadisoany ny rehetra ary mampitovy fomba fijery ny amin’ny hananganana tetezamita iray, mahavita mametraka ny fitoniana, mandamina ny olana ara-tsosialy ary mikarakara fifidianana. Tsy tokony hatao teny filamatra fotsiny ny « fihavanana » fa tena ampiharina sy iainana, fa raha tsy izany dia hanjombona lohataona ny andro eto e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT