Edito

Manjavozavo tanteraka


  • Talata 28 Desambra 2010


Fotoanan’ny fandinihan-tena tokoa izao raha ny tena marina, mba hamerenana kely ao an-tsaina ny natao nandritra ny taona iray dia ny 2010 izany. Ary ny mpanao politika no mila mandini-tena voalohany eto Madagasikara satria izy ireo no rangory fototry ny afo ka nahatonga sy nahateraka ny karazana krizy tsy mbola mety ahitam-bahaolana amin’izao fotoana. Mifarana ihany ity ny taona fa toa tsy arakaraka ny toky nomena tany amin’ny fiandohany ny zava-misy iainana isan’andro. Tena maro tokoa raha ny resaka sy ny vinavina hitondrana any amin’ny fanovana nipoitra teto tao anatin’izay 12 volana izay saingy hatramin’izao aloha dia vitsy no tanteraka, singanina amin’ireny ny fihaonambem-pirenena sy ny fitsapan-kevi-bahoaka. Azo ambara fa anisan’ny dingana lehibe vitan’ny fitondrana tetezamita izany saingy toa tsy nanova na inona na inona teo amin’ny fiainan’ny Malagasy amin’ny ankapobeny. 

Raha ny tena marina dia antony ara-politika goavana no nampikiry ny FAT hanatanteraka ireo fifidianana roa ireo, mba hahafahany milaza eo imason’izao tontolo izao fa milamina ny eto ary mandeha ny raharaham-pirenena, satria vita ny fifidianana ary nazoto nifidy ny olona. Tsy hita ihany anefa izay tena marina hatramin’izao, fa raha milamina amin’ny karama matevina isam-bolana ireo olom-boatendry ao amin’ny CT sy ny CST, izay efa resy lahatra fa hitoetra eo maharitraritra ihany, dia tsy milamin-tsaina ny vahoaka maro, mahita sy mandre, fa misy an’izao na izatsy indray, hono, mety hitranga amin’io taom-baovao io. Toa hoe hisy fitokonana vaovao hiforona indray, hono, kanefa ny fitakian’ny teo aloha aza tsy nahazoana valiny mahafa-po akory. Toa hoe hisy manamboninahitra hanao ampamoaka, indray momba ny fanonganam-panjakana nitranga teto tamin’ny 2009. Tena marina indray izany sa ho sinema ? Dia ho avy eto koa, hono, ny mpanambola arabo hiara-kiasa amintsika. Miaina ao anatin’ny honohono Ramalagasy fa tsy mahalala ny tena marina amin’ny mety hoavin’ny fiainany sy ny fireneny.

Etsy ankilan’izay rehetra izay dia niteraka resabe teto an-drenivohitra ilay horonan-tsarimihetsika mirakitra fanalana devoly miendrika «Visa A» , voalaza fa notanterahana tao amin’ny FPVM Antaninananandrano. Ao ny milaza fa zavatra tena nisy sy nitranga ireny ary manaporofo ny antony nanakatonan’ny fitondrana teo aloha io antokom-pinoana io, eo kosa ireo manizingizina fa noforonina mba hanosoram-potaka ny FPVM ireny. Dia izay ilay hoe miaina miaraka amin’ny honohono aloha satria tsy mahafantatra ny tena marina ! Toa manjavozavo daholo ny zava-drehetra eto amin’ny firenena, miainga amin’ny resaka politika io, mandalo amin’ny foloalindahy, ny finoana sy fivavahana, ny fitrandrahana ireo harena ankibon’ny tany, ny mikasika ny fampianarana sy ny fanabeazana. Manjavozavo tahaka izany koa ny loharanom-bola tsy mety ritra ampiasain’ny fitondrana tetezamita, ny fitsidihana nataon’i Andry Rajoelina tany Azia sy Moyen Orient, ireo fiaramanidina manokana alefana mpandraharaha mitondra azy isaky ny mitsidika faritra na mivoaka an’i Madagasikara. Sa izay marina ve ilay hoe mandritra ny fitondrana tetezamita dia tsy misy marin-toerana sy mazava ny zava-drehetra fa dia manjavozavo ?

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT