Edito

Manjavozavo tanteraka


  • Alakamisy 03 Septambra 2015

Misy ny mémorandum, tsy misy ny mémorandum, aongana ny governemanta, tsy aongana indray, misy miaramila mikonokonona fanonganam-panjakana hono, avy eo hoe tsy sahy manongam-panjakana ny miaramila…

Mety ny mampiasa hery amin’ny mpianatra, avy eo dia hoe ho saziana ireo emmo reg nidaroka mpianatra teny Ankatso.Ef nisy koa ny filazana fa niova fo ny dahalo ka tsy hangalatra sy hanafika intsony, ary hoe maro be ny mbola hiova fo, izao anefa miverina indray ny asan-dahalo mahery vaika sy ny famonoana mpitandro filaminana any atsimo.Ao anatin’ny honohono sy ny ankamantatra ary ny fivadibadihana foana ny fiainana eto Madagasikara ; tsy misy ny zavatra tena hoe mazava sy hentitra.Efa ho volana septambra ihany fa tsy misy ny fandinihana ny volavolan-dalàna fanitsiana ny tetibola 2015, ny gazetim-panjakana tsy nivoaka efa ho efa-bolana.Mbola raharaha hafa ireo tsy fahatomombanana nandritra ny fifidianana kaominaly ary efa miteraka krizy amina kaominina maro .Mariky ny tsy fisian’ny fitoniana izany, manaporofo fa tsy marin-toerana ny fitondram-panjakana ary tsy mbola manana paikady mihitsy hamoahana ny firenena amin’ny krizy, dia asa izay hiafarana eto e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT