Edito

Manjavozavo


  • Zoma 28 Aogositra 2015

Efa tena zatra mandika na mampifanaraka ny lalàna amin’izay hitiavana azy ve isika Malagasy fa dia mahatalanjona mihitsy ny zava-misy eto !

 


 Lasa efa fomba fanao mahazatra, ohatra, ny manary fako etsy sy eroa eny amin’ny arabe eny, ny manao maloto, ny mametraka vidin’entana amin’ny Fmg na dia efa tsy azo atao intsony aza izany. Ny fandikana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana moa dia efa tsy lazaina intsony ary ny diso indray matetika no avo vava sy mila vaniny amin’ireo miezaka manaja lalàna. Tsy mahagaga ihany anefa izany rehetra izany rehefa hita ny ataon’ireo mpitondra. Ny andraikitry ny fahefana tsirairay efa voasoratra mazava ao amin’ny lalampanorenana fa mbola mahita hevitra hafa ihany ka idirana ny hoe « pacte de stabilité » ary dia ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana mihitsy no mandidy ny hanaovana an’io. Resa-be ny fanangonana sonia eny Tsimbazaza avy eo. Mahoraka fa miasa ny vola dia mikaroka marimaritra iraisana mba tsy hifanonganana ny filoham-pirenena sy ny depiote. Fa inona moa no tsy hahasahian’ny filoha mandrava ny antenimieram-pirenena rehefa hita fa hafahafa ilay izy dia miantso fifidianana mialoha ny fotoana ? Fa efa zatra an’ilay mifandamina any amin’ny mangingina moa ny eto amintsika ka vitan’izay ny resaka. Miaina ao anatin’ny manjavozavo i Madagasikara ka izay no tsy mampiarina azy e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT