Edito

Manjaka tokana


  • Alarobia 30 Desambra 2015

Notanterahan’ny HVM araka ny efa hirahiran’izy ireo hatramin’izay ny faniriany dia ny hahatafiditra loholona faran’izay betsaka indrindra eny amin’ny lapan’Anosikely.

Ambinambina toerana no mety ho azon’ireo antoko na fikambanana hafa. Nanampin-tsofina tanteraka manoloana ny ahiahy sy ny fangatahan’ny hafa firehana noho izy ny fitondrana HVM fa dia nataony araka ny kajikajiny ny fifidianana loholona omaly. Nisinisy ihany ireo mpifidy lehibe namadika palitao ka nitsipaka ny kandidany fa nifidy ny olon’ny antoko eo amin’ny fitondrana. Mety noho ny ramatahora ve sa noho ny herin’ny vola ? Tsy dia nampiraika firy ny olom-pirenena rahateo ny fifidianana loholona omaly ka mety izay angamba no nampidingin-drambo ny tompom-pahefana ary tena nanao izay rehetra nahafa-po azy. Efa manana ny maro an’isa eny amin’ny antenimierandoholona izany izao ny HVM fa asa kosa izay mety hitranga eny anivon’ny antenimieram-pirenena. Mbola hanara-drenirano ihany ve ireo solombavambahoaka maro an’isa sa mba hisy hijoro tena mpanohitra amin’izay ? Hatreto mantsy dia kabary no betsaka fa rehefa tonga ny tsangan-tanana dia lany foana izay zavatra aroson’ny fitondram-panjakana. Nisy ny fikasana handrodana ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra teny Tsimbazaza saingy nandamoka avokoa izany rehetra izany. Mahoraka be fa manjaka ny malety feno vola eny Tsimbazaza eny ka izay no mampivadika ny mainty ho fotsy. Tsy mbola ho tanteraka eto Madagasikara mihitsy ve ny fifandanjan-kery tena demokratika araka ny safidim-bahoaka fa izay antoko tonga eo amin’ny fitondrana dia manjaka tokana avokoa ka tsy maintsy korontana sy rombo foana ny fifandimbiasam-pahefana rehefa avy eo ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT