Raha ny zava-nisy tany amin'iny faritra atsimon'ny nosy iny mikasika ny mpitandro filaminana matin'ny dahalo no jerena, dia efa tena tafakatra ambony dia ambony ny tsy fandriampahalemana eto.
Efa tsy matahotra intsony koa ny jiolahy sy dahalo fa na iza na iza mifanehitra amin'izy ireo dia mahazo ny hafatra daholo. Tranona manamboninahitra jeneraly nidirana an-keriny. Novonoina tamin'ny fomba feno habibiana izy telo mianaka. Fonenan'ny lehiben'ny polisy notafihana ihany koa, dahalo aman-jatony nifandona tamin'ny zandary. Ny halatra sy vaky trano ary fandrobana fananan'olona, dia efa fanampin-tsakafo isan'andro mandeha amin'ny filazam-baovao. Mampiorohoro ny mpandeha amin'ny hariva sy ny alina, tsy milamin-tsaina ny olona na an-tanàn-dehibe io na any ambanivohitra.
Manampy trotraka ny fahasahiranana io tsy filaminana io, ary tena hanimba ny firenena raha mbola mitohy. Tena miandry izay ho fihetsiky ny zandary sy polisy ary miaramila ny olona ankehitriny, satria izy ireo, ihany no afaka hifampitana amin'ny jiolahy mitondra fitaovam-piadiana. Fa andrasan'ny maro ihany koa izay ho fihetsiky ny fitsarana. Raha miroso amin'ny fanovana marina tokoa isika, dia tokony ho sahy hiditra lalindalina kokoa amin'ny fanadihadiana amin'izay ny fitsarana ka hikaroka ny mpiray tsikombakomba rehetra. Misy mpibaiko sy mpaniraka ny dahalo. Amidy ny omby an'arivony azon'izy ireo, fa tsy hoe atao laoka isan'andro fotsiny. Misy resa-bola ao ambadik'io asan-dahalo io, ary misy olona matanjaka. Hatry ny ela no efa nalaza fa misy fanondranana omby an-tsokosoko eto.
Rehefa dahalo dia dahalo, na eny an-tanety io na eny ambony latabatra. Milaza moa ny mpitandro ny filaminana, fa tsy maintsy ho tratra ireo rehetra namono nahafaty ireo zandary sy miaramila tany Amboasary atsimo, efa any an-toerana rahateo ny Emmo-Nat hanatanteraka ny fanadihadiana sy ny fisamborana. Fomba fiteny nalaza tato ho ato moa ny hoe : tsy tokony hisy izany tsy maty manota izany, fa rehefa nandika lalàna sy nahavanon-doza teto amin'ity firenena ity dia saziana, araka ny lalàna manankery, ka ho hita eo ary ny tohin'ity dahalo namono nahafaty mpitandro ny filaminana ity, ary antenaina fa mba hiroso lalindalina amin'izay ny fanadihadiana fa tsy hijanona eo amin'ireo irakiraka sy mpanatanteraka fotsiny.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.