Edito

Manisa andro


  • Alakamisy 06 Janoary 2011


Manomboka mifantoka any amin’ilay governemantan’ny firasim-pirenena indray amin’izao fotoana ny sain’ny rehetra, na olon-tsotra io, na mpanao politika noho ny fahafantarana fa tena miankina amin’io ny ho avin’i Madagasikara. Dingana tsy azo ikipina ny fananganana azy io satria ao anatin’ny fahefana mpanatanteraka, dia ny governemanta izany no tena mila ahitana ilay fiaraha-mitantana. Raha tiana ny hivoaka amin’ny krizy dia ny fifampizarana toerana ao amin’ny governemanta no tsy maintsy ifaneken’ireo ankolafy politika isan-karazany, ary izay ihany koa no andrasan’ny sehatra iraisam-pirenena dia hiverina indray ny fanampiana sy fanohanana, na ara-pitaovana io na ara-bola. Saingy tsikaritra ihany ankehitriny fa mafy be ny fifadresen-dahatra sy ady varotra, ary hita ho miverina eo ambony latabatra indray ny satan’i Maputo.

Navadibadika sy nojerana izy io tao anatin’ireo fihaonana maro be nanomboka tamin’ny tapaky ny volana desambara iny, ary nisy ny tsoa-kevitra noraisina avy tao anatiny dia nampivadiana tamin’ireo fehin-kevitra politika nivoaka tetsy sy teroa tamina karazana fivoriana sy fihaonambe. Io ilay efa nambara teto foana nandritra ny herintaona sy tapany izao fa tsy ho tafavoaka mihitsy isika raha tsy ampiharina izay nosoniavin’ireo filohan’ny ankolafy tany Maputo sy Addis Abeba, fanitsiana sy fanovàna kely no atao, fa raha ny tena marina dia ny satan’i Maputo no hivoaka ao anatin’ny governemantan’ny firaisam-pirenena sy ny CST ary ny CT amin’ny endriny vaovao atsy ho atsy. Koa raha izay no izy dia hatao veloma sy hisaorana tsy ho ela koa izany ny praiminsitra am-perinasa Camille Vital, satria tsy mahafeno ny fepetra takiana izy. An’ny ankolafy Ratsiraka ny toeran’ny praiministra ary manana toerana praiministra lefitra iray avy ny ankolafy Ravalomanana sy Zafy Albert.

Mijanona ho filohan’ny tetezamita kosa i Andry Rajoelina. Raha izay ihany koa no arahina dia ho misimisy ihany ireo ministra am-perinasa amin’izao fotoana no ho voahilika, tahaka ny ao amin’ny fambolena ohatra, satria anjaran’ny ankolafy Ravalomanana io, tahaka izany ihany koa ny raharaham-bahiny sy ny ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony izay mbola an’io ankolafy io ihany. Ny ministeran’ny vola indray dia an’ny ankolafy Ratsiraka, ho tantanan’ny ankolafy Zafy Albert kosa ny ministeran’ny fanabeazana … santionany amin’ny voarakitra ao amin’ny satan’i Maputo ihany ireo, ary mety hisy ny fanovana satria izany no anton’ireo fivoriana miseho sy miafina etsy sy eroa. Mbola resaka hafa ny ho filohan’ny CT sy ny CST satria raha miampy izany ny isan’ireo mpikambana dia tsy maintsy hisy indray ny fifidianana birao maharitra vaovao koa dia ho hita eo. Fa ny manomboka azo antoka aloha hatreto dia efa manisa andro ny jeneraly Camille Vital satria handao tsy ho ela ny toerana maha Praiministra azy sy ny Lapan’i Mahazoarivo.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT