Edito

Manisa andro


  • Alatsinainy 08 Martsa 2010

Antomotra ny datin’ny 16 martsa, hampiharan’ny sazin’ny filankevi-pilaminan’ny Vondrona Afrikanina, amin’ireo izay sakana amin’ny fampiharana ny satan’i Maputo sy ny tovana Addis Abeba.

Foana tamin’ny ora farany ny fihaonana an-tampon’ireo filohan’ny ankolafy efatra tokony hatao tany Addis Abeba handaminana ny raharaha, fa nitsoaka an-daharana i Andry Rajoelina, nanao toy ilay rafotsy be very laona ka dia miandry izay higadonany. Mazava ny fihetsiky ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, fantany tsara fa raha handroso izy, ka hampihatra ny satan’i Maputo, dia gejain’ireo mpifikitra amin’ny seza, mpiaro tombontsoa. Hihemotra ka hiziriziry tsy hampihatra dia efa naman’ny miantso sazy ary manafaingana an’izany mihitsy aza 

Raha nantenaina fa handeha ho azy toy ny taratasy alefa amin’ny paositra anefa ilay atrikasa «Teny Ifampierana» natao teny Ivato ny alakamisy sy zoma teo dia toa tsy manome antoka an’i Andry Rajoelina, satria ireo mpanao politika nantenaina hanohana ny tolo-keviny amin’ny hanaovana «Assemblée Constituante» indrindra no nitsivalana ny hanatantehana izany fa nandroso ny hanaovana fikaonandoham-pirenena sy ny fitsapan-kevi-bahoaka handaniana ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4. Koa ity an’i Andry Rajoelina sy ny ankolafy tarihiny no tonga amin’ny fitenenana hoe : mandroso maty raibe, mihemotra maty renibe. Ny fotoana anefa ity mandroso, ny azony atao sisa dia ny manisa andro !
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT