Edito

Mangarahara hatraiza ?


  • Alarobia 04 Mey 2016

Omaly no nahavita nametraka ny antontan-taratasy momba ny fanambaram-pananany teny amin’ny HCC Ambohidahy ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier.


Fihetsika toa enti-milaza fa te hiasa ao anatin’ny mangarahara tokoa ny praiminisitra ka tsy manafina na inona na inona. Izay tokoa ve sa mba fihetsiketsehana hambaboana ny fon’ny vahoaka fotsiny ihany ? Raha hikatsaka ny mangarahara tokoa mantsy dia tokony haseho vahoaka mazava ny karaman’ireo minisitra rehetra ireo sy izay fandaniam-bolany ao anatin’ny iray volana. Volam-bahoaka tsinona no hamelomana azy ireo. Adidin’ny sampandraharaha mandray ireny fanambaram-pananana ireny koa ny manadihady sy mamoaka tatitra mazava isaky ny herintaona ahitana raha nitombo harena na tsia ilay manampahefana. Aoka hazava tsara rehefa manao ihany fa tsy sanatria fanova-maso fotsiny no atao ! Ahoana izao ny momba ireny fiara tsara tarehy sy lafo vidy maro dia maro an’ny manampahefana isan-tsokajiny ireny ? Novidiana sa hofain’ny fanjakana ve izy ireny sa novidian’ilay minisitra sa fanomezana avy amin’ny tsara sitrapo ? Mila atao mazava izany rehetra izany raha tena governemanta hiady amin’ny kolikoly tokoa io misy io. Rehefa tsy hanao an’izay mangarahara sy ampamoaka izay dia aza manao be lazao aloha e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT